Tantara mikasika ny Pôrtô Rikô (Etazonia) tamin'ny Mey, 2018
Antilles : Eo an-dalam-pitadiavana ny vahoaka Karaiba
Nanomboka hatramin'ny fiandohan'ny taona 2009, nanontany tamin'ny fomba samihafa ny momba ny mari-panondroana azy ireo, ny lovam-pireneny sy ny zavatra iainany amin'izao fotoana izao ny Indiana Tandrefana .
Porto Riko : Ilay Fahazoandàlana Vaovao Ahafahana Mamono Hazo
Nahatonga fanehoankevitra be teo amin'ny tontolon'ny blaogy Pôrtôrikana ilay fanapahankevitra vao haingana avy amin'ny Sekreteram-Panjakana Momba ny Fambolena ao Pôrtô Rikô. Ao amin'ny nosy Pôrtô Rikô, mila mangataka fahazoandàlana any amin'ny masoivohon'ny harena voajanahary ny olona iray raha te-hanapaka hazo. Izay aloha ny zotra narahina hatramin'ny fotoana nanaovan'ilay Sekretera jeneralin'ilay masoivoho,Javier Velez Arocho, ilay fanapahankevitra ahafahana mahazo avy hatrany alalàna hanapaka hazo
Pôrtô Rikô: Ny lahatsary antserasera ahitana ny hetsi-panoheran'ny mpianatry ny Oniversite
Mbola nihamafy hatrany ny hetsi-panoherana naharitra iray volana manohitra ny fanapahana ny tetibola tao amin'ny Oniversiten'i Pôrtô Rikô, ary navitrika tamin'ny fanaparitahana hatrany ny vaovao tamin'ny alàlan'ny lahatsary antserasera sy ny media sosialy hafa ireo mpianatra nipetraka tao anatin'ny faritry ny oniversite Rio Piedras.