Tantara mikasika ny Pôrtô Rikô (Etazonia) tamin'ny Janoary, 2013
“Ny fanjaitra” Tantara Iray Hafa Mikasika Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Nanova Taovam-pananahana Any Porto Rikò
Matetika amin'ny alina no mivenjivenjy manao ny asany eny amin'ny sisin-dalan'ny tanan-dehiben'i San Juan, ireo mpikambana avy amin'ny vondrompiarahamonin'ireo 'trans' (olona nanova taovam-pananahana) ao amin'ny faritr'i Santurce avy any Porto Riko.“Ny fanjaitra”, fanadihadiana iray vaovao tarihin'ilay mpamokatra horonantsary iray avy eo an-toerana antsoina hoe Carmen Oquendo-Villar, izay tsy miompana loatra amin'ny zava-mitranga eny an-dalana; fa mifantoka kosa amin'ny endrika ambadiky ny sehatra dia ny hatsaran'ny asa hita eny an-dalana izay ametrahan'ireo mpiasan'ny sisin-dalana fitokisana.
Fitsidihan'ny Mpanjaka Telo An'i New York
Tonga ireo mpanjaka telo ary lasa, saingy tsy maintsy nandalo ny tanànan'i New York hiara-hankalaza amin'ny kilonga an-jatony nanatrika sy nandray anjara tamin'ny lanonana. Anisan'ny kolontsaina nentin-drazana hatramin'ny taonjato maro ity fomba fankalazana krismasy PortoRikana sy Amerikana Latina ity.
Nahita Zava-baovao amin'ny Ifandraisan'i Porto rico sy Corse ireo Mpianatra
Manana fifandraisana izay somary nampatsiahivana matetika nandritra ny fandaharam-pianarana nokarakarain'ny Oniversiten'i Porto Riko i Porto Riko sy i Corse. Ankoatra ireo endrika iraisana, toy ny jeografia sy ny fiavahana eo amin'ny fambolena...