Tantara mikasika ny Però

Amerika: Jery todika 2008

  07 Mey 2019

Nodarohan'ny tafika mitam-piadiana Kolombiana ny tobin'ny mpiady anaty akatan'ny Tafika Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia (FARC) miorina ao anatin'ny sisintanin'i Ekoadaoro, niteraka olana ara-diplomatika teo amin'ireo firenena roa tonta izany. Miaraka amin'ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez nandray anjara tamin'ny adin-teny, izay tsy ela dia nivadika ho krizy ara-tsisintany tanteraka.

Però: Bilaogera avy ao Ica

  29 Desambra 2018

Ny tanànan'i Ica no tena voakasiky ny horohorontany Peroviana manokana vao haingana. Maro amin'ireo fanavaozam-baovao sy antso ho an'ny firaisankina no avy amin'ireo bilaogera ao an-tanànan'i Lima. Nikaroka ireo bilaogera avy ao an-tanànan'i Ica ny mpanoratra ao amin'ny GV, Juan Arellano ary nahita ireto bilaogy ireto.

Bilaogy Peroviana vao haingana

  29 Desambra 2018

Mavitrika tato ho ato ny sehatra ara-politika, satria bilaogera isan-karazany no matetika nandefa momba ny zava-nitranga vao haingana ary anisan'ny nanintona ny saiko indrindra nyy nosoratan'i "La Morena" momba ny kandidan'ny antoko politikan'ny fitondrana

Però: Fitantarana antserasera momba ny horohorontany

  28 Desambra 2018

Nahatratra 337 ankehitriny ny isan'ireo namoy ny ainy tamin'ny horohorontany tany Ica, any Però. Ny isan'ireo naratra kosa dia 827. Mbola tsy nivoaka tamin'ny gazety Lima, El Comercio na RPP izany tarehimarika izany, tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity.

Lahatsoratra vao haingana avy ao Però

  28 Desambra 2018

Ity manaraka ity dia fijerena kely ireo lahatsoratra sasany vao haingana notsongaina tamin'ireo bilaogy Peroviana isan-karazany; lahatsoratra izay hita fa nitarika fahalianana tamin'ny fomba iray na hafa:

Però: Mankany amin'ny fihodinana faharoa

  27 Desambra 2018

Tapitra ny fifidianana tany Però, saingy hiverina izany satria tsy nanambara ampahibemaso ny zavatra efa fantatsika rehetra izy ireo: hisy ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana ary i Ollanta Humala sy Alan García no hifaninana amin'izany.