Tantara mikasika ny Panamà

Panama: Firenena Amidy

Amidy i Panama : na farafaharatsiny izay no fahitan'ny vondrona Panameana lehibe iray ny zava-misy taorian'ny nahitàny tamin-katezerana ny fomba ataon'ny governemantan'ny Filoha Ricardo Martinelli ikendrena ny handafosana ampahany midadasika amin'ireo fananan'ny firenena..Azo jerena eny an-dalambe sy eny anaty tambajotra sosialy ny hatezearan'ny vahoaka Panameana.

20 Jona 2012

Panama: Mahantra Saingy Tsy Adino Noho Ny Lahatsary Aty Anaty Aterineto

Iray tamin'ireo tobim-pamaharan'ny Sambo mpisitrika Amerikana tany amin'ny faritry ny Lakandranon'i Panama i Coco Solo, akaikin'i Colón, Panama. Amin'izao fotoana, Coco Solo no tanindrazan'ny sasany amin'ireo mahantra indrindra, ny ankamaroan'ireo Panameana natao an-jorom-bala. Ireo lahatsary anaty aterineto no mba antontan-kevitra vitsy mampiseho ny fiainana ao anatin'ity vondrom-piarahamonina ity.

27 Avrily 2012

Panamà: Mandrisika Ny Filoha Hanasonia Ny Lalàna Miaro Ny Biby Ireo Mpampiasa Aterineto

Nanaiky lalàna vaovao miaro ny biby fiompy ny Antenimieram-pirenenan'i Panamà. Andro maro aty aoriana nefa, mbola miandry ny faneken'ny filoham-pirenena izany lalàna izany. Mandritra izy fotoana izay, miady hevitra mikasika io lalàna io ireo mpampiasa aterineto ao anatin'ireo tambanjotra sosialy, manosika ny fanekena izany amin'ny alalan'ny fandefasan-kafatra mba hangatahana ny Filoha hanasonia izany.

09 Avrily 2012

Lahatsary: Taona Iray Tontolo Iray Ary Tantara 52 Samy Hafa

Hitsidika firenena irery mandritra ny herintaona ilay mpanao gazety amin'ny alàlan'ny Lahatsary Maggie Padlewska, hitety firenena iray isan-kerinandro ary mitontaly 52 ireo firenena hotsidihany amin'izany. Mandritra ny fitsidihany dia haka ary hamokatra lahatsarin'ny fifandraisany amin'ireo vondrom-piarahamonina, fikambanana ary olona zara raha voaresaky ny mpampita vaovao izy, ary hamoaka izany ao amin'ny aterineto izy.

29 Janoary 2012