Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jona, 2014
Eny An-Dranomasina ho Fanohanana Ilay Gadra Politika Oscar López Rivera
33 taona izao no nitazonana am-ponja ao Etazonia ilay gadra politika portorikana. Nisy fihetsiketsehana notontosaina tao Porto Rico hanoherana io fitazonana am-ponja io.
Snowden, 365 Andro Aty Aoriana: Amin'ny 5 Jiona Hoavy Izao, Lazao Hoe Tsia Amin'ny Fanarahamaso
Efa herintaona sahady izay no nisian'ny ampamoaka nataon'i Snowden. Koa amin'ny 5 Jona hoavy izao, hanatanteraka hetsika, fanerena ny mpanao lalàna ireo mpikatroka ary hikarakara hetsika mivantana hanoherana ny fanarahamaso faobe.
Mampiasa Twitter ito Breziliana ito Mba Hanehoana Ny Fahasiahana Sy Ny Fanavakavahana Ataon'ny Mpampiasa An'ireo Mpiasa An-Tranony
Asehon'ny kaonty A Minha Empregada (Ny mpiasa an-tranoko), amin'ny alalan'ny hafatra fohy miisa 111 ny zavatra ratsy amin'ny lafiny ara-tsosialy atao amin'ny hafa, ny fanavakavahana ary ny tsy fahaizana manakatra ny fihetseham-pon'ny hafa miseho eo amin'ny fiarahamonina Breziliana, indrindra ny toetra manoloana ireo mpiasa an-trano izany.