· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Oktobra, 2018

Ahmadinejad sy i Chavez: ”Miala Any ny Resa-Pitiavana’

Tamin'ny Novambra 2007 nanao ny fitsidihany fahefatra tao anatin'ny roa taona tao Tehran ny filoha Venezoeliana Hugo Chavez mba hanasonia fifanarahana ara-toekarena bebe kokoa miaraka amin'i Iràna. Notsikerain'ireo Iraniana mpianatra sy blaogy maro mpomba ny havia ilay fifandraisana mpinamana nisy teo amin'ilay filoha ''sosialista'' Chavez sy ny Repoblika Islamika.

Feo avy ao amin'ny Wiki

  24 Oktobra 2018

Ampahany amin'ny majikan'ny olombelona sy ny ara-teknika ahafahan'ny Global Voices miasa ny wiki velona, izay ahafahan'ny mpiserasera manerantany milaza amintsika momba ny bilaogy sy ny tranonkala tokony hodinihantsika, sy ahafahantsika miara-manova tahirin-kevitra toy ny ny Torolàlana ho an'ny bilaogy tsy mitonona anarana.

Shily: BiblioRedes, avy ao Visviri mankany Puerto Williams

  24 Oktobra 2018

Fandaharanasa avy amin'ny fanjakan'i Shily ny BiblioRedes, izay manome fidirana maimaim-poana amin'ny solosaina sy aterineto ho an'ny tranomboky miisa 387 manerana ny firenena. Manome fahafahana manokana ho an'ireo Shiliana any amin'ny faritra tsy dia voasolo tena loatra mba hianatra ny fomba fampiasana solosaina sy aterineto ity fahafahana miditra aterineto ity. Singa iray mamaritra ity fampiofanana ity ny fahafahan'izy ireo manokatra ny tranonkalany manokana. Afaka jerena ao amin'ny blaogin'ilay tetikasa Contenidos Locales (Vontoaty Eny An-toerana) ny tena mahaliana amin'ity vontoaty ity.

Goatemala : Nitokona ireo mpampianatra rehefa noravàna ny sekoly tranainy iray

  23 Oktobra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Niverina nitokona indray ny 8 Mey 2007 ireo mpampianatra tamin’ny sekolim-panjakana tany Goatemala, nangataka ny ‘’famotsoran-keloka’’ tamin’ity indray mitoraka ity. Nangataka ny hanafoanana ireo sazy niampangan’ny governemanta azy izy ireo satria noho ny fandikan-dalàna tamin’ny fanaovana fitokonana tsy ara-dalana....

Ry Bilaogin'izao Tontolo izao, Mitambàra!

  23 Oktobra 2018

Raha toa ka lasa mahazatra manerana izao tontolo izao ny fanoratana bilaogy ary satria mitodika amin'ireo olon-tsotra amin'ny fitantanana ny bilaoginy ireo mpanao gazety, orinasa, mpanao pôlitika sy ireo fikambanana tsy miankina, mandeha lavitra kokoa nòho izany ireo ankizy milay ary milalao fitaovana mampivondrona ny vontoatin'ny weblog maro ho ao aminà bilaogy iray vaovao.

Panama: Ny Vondron'ny Indizena Kuna Sy Ny Fampiasàna Ny Teknolojia

  22 Oktobra 2018

Zara raha tafiditra amin'ny aterineto sy ireo teknolojia hafa ny vondrona indizena Kuna any Panama. Avy amin'ny foko Kuna i Gilberto Alemancia, sady mpaka sary sy mpitarika mpizaha tany ampy traikefa. Nitarika ny atrikasa momba ny teknika fipihana sary amin'ny fakàntsary niomerika tamin'ireo ankizy any amin'ny faritra lavitra andriana ao amin'ny firenena izy tamin'ny fitsangatsanganana sasany. Nanam-potoana niresadresahana tamin'i Alemancia momba ny hafanàm-pony i Melissa De León.

Oscar Niemeyer: 100 taona nanaovana haimaritrano sahisahy

  21 Oktobra 2018

Noarahabain'ireo Breziliana sy mpitoraka blaogy manerana ny tany i Oscar Niemeyer, ilay mpahay maritrano maodernista ankalazaina be izay nahatratra ny faha-100 taonany androany ary tena mbola velona tsara, mahira-tsaina, mavitrika ary mirotsaka amina tetikasa maro manerana izao tontolo izao .

Goatemala: Ny fomba hanehoan'ny indizeny ny zavakanto

  20 Oktobra 2018

Nisy ny fankalazana ny vahoaka tompotany sy ny fomba hanehoan'izy ireo ny mari-panondroana azy tamin'ny alalan'ny zavakanto, ny teatra ary ny fitafy nandritra ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vahoaka Indizeny Manerantany. Sasantsasany tamin'ireo ohatra fanehoana famoronana ara-javakanto ao Goatemalà ihany ireto manaraka ireto.