Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Aogositra, 2018

15 Aogositra 2018

Fanentanana Revolisionera ao amin'ny WSF

Miloa-bava amin'ny tsikera fanatsarana amin'ny sehatry ny fikarakarana ireo bilaogera nanatrika ny Forum Sosialy Manerantany (WSF). Noresahin'ireo bilaogera bebe kokoa ny lohahevitra mifandraika amin'ny olan'ny fitaterana, ny tobin'ny tanora, ary ny torohay.

12 Aogositra 2018

Meksika: Lahatsary manao fanentanana manoloana ny fitomboan'ny fakàna an-keriny

Nahitana fitomboan'ny fakàna an-keriny amin'ny tranga takalon'aina tao Meksika tamin'ity taona ity, ary vondrona bilaogera an-dahatsary no nanapa-kevitra hitsangana sy hanao horonan-tsary manolotra vahaolana amin'ity olana ity.

06 Aogositra 2018

Tambajotram-blaogy vaovao : Izao tontolo izao araka ny fiheveran'i neny

Niaraka niasa tamin'ilay kanadiana Catherine Connors, antsoina koa hoe Her Bad Mother izahay mba hanontaniana ireo reny mpitoraka blaogy mikasika ilay lohahevitra ary hankahery azy ireo hamorona tambajotran-tserasera eo anivon'izy ireo. Hatreto aloha, blaogera 85 avy amin'ny firenena 26 no namaly anay, fa mbola mitady betsaka kokoa noho izany izahay.

05 Aogositra 2018

Ny ”gripan-kisoa” an-dahatsary : vaovao, hanihany, vongan-tsira

Manoloana krizy iray, maneho hevitra amin'ny fomba samihafa avokoa ny olona. Misy ireo manao lahatsary mba hanaovana hira mikasika ny gripan-kisoa, misy kosa ny manao lahatsary hatsikana ho amin'izany.

04 Aogositra 2018

Meksika: Mamantatra ny araben'i Meksika amin'ny alàlan'ny Google Street View

Nandany ny tolakandrony tamin'ny fijerena sary ny Meksikana, natomboka ho an'ny tanandehiben'i Mexico (renivohitra),Guadalajara, Monterrey ary ny tanàndehibe miisa dimy hafa Meksikana tamin'ny Google Street View, tolotra iray ao amin'ny Google izay maka sary ny làlambe any amin'ny tanàndehibe lehibe indrindra manerantany hatreny amin'ny arabe ny olona.