Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Desambra, 2017
Fanabeazana Amin'ny Fiteny Roa Ao Guatemala
Midika amin'ny teny espaniola hoe Santiaguito, na "Ilay Santiago Kely " ny Tz'ikin Jaay. Anaran'ny sekoly iray ao Santiago Atitlán ao amin'ny fanjakan'i Guatemala ao Sololá izany.
Izay Lazain'ireo Bilaogera Ao El Salvador – Momba Ny Hery Mitam-piadiana
Nanoratra lahatsoratra manakiana ny fomba fandaniambolan'ny miaramila ao El Salvador ireo bilaogera Salvadoriana
Ireo Karazan-Tsakafo Sasany Avy Any Amerika Latina
Mitondra antsika hamantatra ireo sakafo mafilotra manerana ny tontolon'ny fandrahoan-tsakafo any Amerika Latinina i Chef Melissa ao anatin'ireo antsoina hoe "fitafiana maloto" any Kiobà mankany amin'ny guarapo de piña ao Venezuela; miainga amin'ny vokatra organika any Orogoay hatrany amin'ny 'tri-tip'mafilotra any Arzantina sy ny fromazy matsiro any Panama.
Mezcal : Fahaterahana Vaovao Indray Ho an'ilay Zava-Pisotro Nentim-paharazana Meksikàna
Hatrizay, noraisina ho zava-pisotro tsy be mpisafidy, efa lasa hita eny amin'ireo trano fisotroana raitra indrindra eto ambonin'ny tany ny mezcal ankehitriny, miaraka amin'ny fanatsarana mendrika azy.
Arzantina: Ny Tambajotran'ny Mpampianatra
Ny tsy fahampian'ny fampiofanana ireo mpampianatra amin'ny fampiasana ny teknolojia vaovao, indrindra ireo mifandray amin'ny solosaina sy ny Aterineto no iray amin'ireo olana maha-maika indrindra amin'ny rafi-pampianarana ao Amerika Latina. Matetika dia hita fa ireo mpianatra no mahay kokoa momba ny solosaina noho ny mpampianatra azy ireo.
Siriana Mpitsoa-ponenana, Mitady Fialofana Ao Brezila Izay Ananan'ny Fitondrana Assad Mpanohana Matanjaka.
Siriana maro nandositra ny ady an-trano tany aminy no nahita toerana ao Brezila, toerana izay azon'izy ireo antsoina hoe fonenana.
Filoha Meksikàna, Vicente Fox Nitafa Tamin'ny Bilaogera ?
Toa tsy any Etazonia irery monja sisa ny "bilaogy" no lasa lohahevitra resahana be eny anaty media.
Ny Show Global Voices Fahatelo
Indro ny fizaran-tantara fahatelo amin'ny Global Voices Show !
Ny Show Global Voices Voalohany
Faly manambara ny voalohany amin'ny rakipeo vaovao amin'ny endrika gazetiboky ny Global Voices
Sewell: Tanàndehibe Vakoka Manerantany Ao Shily
Any amin'ny haabontany mirefy 2 000 metatra mahery any amin'ny tendrombohitr'i Andes no misy an'i Sewell . Tanàndehibe fitrandrahana varahina, nanambara izany ho Vakoka Manerantany ny UNESCO tamin'ity taona ity. Nanazava tantara fohifohy sy ny zava-misy ara-tsosialy ihany koa ny La Libélula