Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Oktobra, 2016
Nahoana i Delfín Quishpe, Vazimba Teratany, Mpihira No Tena Manintona Olona Be Any Amerika Latina?
"Ahoana aho no tokony harary saina amin'ny lazain'ny olona? Samy manana ny kolontsainy ny tsirairay."
(Fanambarana) “Mibodo Ireo fampitam-baovao sy Tambajotra” : Fihaonamben'ireo Vehivavy Mpampita Resaka Avy Amin'ny Teratany Sy Taranaka Afrikana Ao Meksika
Notontosaina ny 6 ka hatramin'ny 10 Oktobra 2015 tao Saint Agustín Elta, Oaxaca, Meksika ny fihaonambe iarahan'ireo vehivavy avy ao Meksika sy Amerika Afovoany .
Mila Rariny Izy: Ny Herinandro Niaraka Tamin'ny Podcast an'i Global Voices
Tamin'ity herinandro ity, ampahafantarinay anareo ireo vehivavy mitady sy manatanteraka ny rariny ao Polonina, Orogay, Rosia sy Syria.
Mpiaro Ny Tontolo Iainana Iray Hafa Maty Nisy Namono Tao Amazônia
Mpamono olona anankiroa, nitaingina môtô, no namono nahafaty an'i Luís Alberto Araújo, 54 taona, Sekreteran'ny Tontolo Iainana ao Altamira, fanjakan'i Pará tamin'ny alakamisy 13 oktobra lasa teo.
Sivilizasiona, Jadona sy Fitroarana: Tantaran'Izao Tontolo Izao Araka Ny Fijerin'ny Vehivavy Kolombiana Iray
Misafidy faritra iray eto amin'izao tontolo izao i Diana Uribe ka mampifandray ny tantaran'izany toerana izany amin'ny zavamisy hitantsika ankehitriny. Mifantoka amin'ireo olo-malaza ara-tantara ny fandaharany.
“Manana Nobel, Saingy Tsy Manana Fandriampahalemana”
Lasan'ny filohan'i Kolombia, Santos ny loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana 2016 noho ny ezaka nataony hamarana ny ady naharitra 50 taona. Saingy maro ihany koa ireo nankalaza ny Satro-Potsy ao Syria.
Firaisankinan'i Pôrtô Rikana, Namiratra ao Anatin'ny Fahatapahan-Jiro Manerana Ny Tangoro-Nosy
Fisedrana ady sarotra ny fahatapahan-jiro ho an'ny Pôrtôrikana, saingy nampivoaka ihany koa ny tsara indrindra tao amin'ny maro.
Maro Anarana, Fa Tsiro Tokana Voavoatra Tao Amerika Latina
Tsy olana izay anarany, fa singa iray tena ilaina io amin'ny fanaovana mofomamy. Ary faran'izay tsy azo eritreretina ny hoe alfajores ka tsy hisy iray sotro amin'io zavamamy natao avy amin'ny ronono io.
”Tsia” ho an'ny Fandriampahalemana ao Kolombia: Ny Podcast Miditra Lalina
Ny herinandron'ny 6 Oktobra izahay dia nangady lalina tao anatin'ny antony nifidianan'ny Kolombiana handaboka ny fifanarahana fandriampahalemana izay tokony nampitsahatra ny ady naharitra efa 50 taona mahery.
Nogadrain'ny Governemanta Venezoeliana Ireo Mpamokatra Lahatsary Noho Ny Fiampangana Azy Ireo Ho Mikotrika Fikomiana
Nahatonga ireo mpamokatra lahatsary any am-ponja ny lahatsary novokarin'izy ireo natao hampieritreritra ny miaramila Venezoelana mikasika ny fahefana tsy mitombo hananan'izy ireo ao Venezoela .