Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Febroary, 2015
Endrika Toy Inona No Ahitan'Ireo Tantsaha Mpila Ravinahitra Ny Lalantsara Fivarotam-bokatr'ireo Toeram-pivarotana Goavana Amerikana
Ahoana ny fioty voatabia raha miohatra amin'ny tongolobe? Ary mba ahoana ny amin'ny frezy? Meksikana iray, tantsaha mpila ravinahitra monina any Central Valley ao California no manazava ny zavatra hitany tao aminà toeram-pivarotana lehibe iray.
Ireo Firenena Tena Mahafaty Mpanao Gazety Any Amin'ny Ilabolantany Andrefana
Toerana sady ahitàna ny orinasa misahana haino aman-jery goavana indrindra ao Amerika Latina no misy ihany koa ny mpanankarena voaiben'ny fifandraisana Erantany i Meksika, izay nahazo ny filaharana ambany indrindra fanindroany tamin'ny Tondro momba ny Fahalalahan'ny Asa Fnaovana Gazety 2014.
Ny Fomba Fiaina Munduruk, Tandindonin-doza Noho Ny Asa Fanorenana Tohodrano Ao Brezila
Ampahany faharoa amin'ny firesahan'ny Agência Pública momba ny vahoaka ao Sawré Muybu, faitra iray hoakotry ny rano ao Brezila raha miroso ihany ny asa fanamboarana tohodrano hakàna herinaratra.
Manampahaizana Momba Ny Politika Etazonia-Kiobà: Miresaka Ny “Fahasamihafàna Lalina” Eo Amin'ny Zon'Olombelona
Ilaina ampidirina amin'ny adihevitra momba ny zon'olombelona ao Kiobà ny famerenany mandinika lalina ny drafitra demaokrasia ao amin'ity firenena ity.
Fahatezerana Any Kolombia Amin'ny Fisian'ny Fifaninanana Hatsaran-Tarehy Oliravin'ny Tako-Kenatra Kely
Mampiady hevitra ilay fifaninanana hatsaran-tarehy fantatra amin'ny "Oliravin'ny Tako-kenatra hoan'ny Kely," izay tohanan'ny fiadidian'ny tanàna, ahitana zazavavy kely zara fa enina taona tsy manao afa-tsy silipo.
Ekoatera Miloko Mavo Mahafinaritra
Ny famonin'ny hazo Guayacan dia midika fa tonga ao Ekoatera ny lohataona, izay mitondra olona an'arivony manerana izao tontolo izao ho tonga ao amin'ny fandravahana ara-boajanahary marevaka indrindra ao amin'ny faritra.
Tsy Nahafaly Loatra ny Kolombiana Ny Fiakarana Kelin'ny Karama Ambany Indrindra
Nampiakarin'ny governemanta Kolombiana 4,6 isan-jato ho 644 350 pesos Kolombiana ($273) ny karama farany indrindra horaisin'ny amin'ny taona 2015 araka ny nambara tamin'ny 30 Desambra 2014.