Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2014
Zavatra Mahavariana 5 Hita Amin'ny Sokatra “luth”
Fotoanan'ny fanatodizana izao. Mianara ny mombamomba bebe kokoa io soka-dranomasina io, izay miverina eny amin'ny morontsirak'i Porto Rico isan-taona mba hanatody.
Fifidianana Ben'ny Tanàna Ao Ekoatera: Fitsitontonganana Ho An'ny Governemanta?
Ny valim-pifidianana azo voalohany dia manambara fa resy ny PAIS Alliance, antoko eo amin'ny fitondrana ao Ekoatera tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna tao amin'ny tanàna dimy be mponina indrindra ao amin'ny firenena : Guayaquil, Quito, Cuenca, Manta ary Santo Domingo.
Olan'ny Tontolo iainana : Namono Biby An'arivony Ny Haintany Any Kolombia
Biby maherin'ny 20 000 no nolazaina fa maty vokatry ny haintany any Casanare, Kolombia. Ampiasain'ny mponina ny tambajotra sosialy mba hitarihina ny saina ho amin'io olan'ny tontolo iainana ilaina vahàna haingana io.
Mahatsiaro An'i Claudia Silva Ferreira, (Ilay Vehivavy Notaritaritin'ny Polisy) Ireo Mpanakanto Breziliana
Nanasa ireo mpanakanto sy mpiserasera ny Bilaogy Think Olga mba handefa sary fanehoana hoan'i Claudia Silva Ferreira, ilay vehivavy namoy ny ainy teo am-pelantanan'ny polisy miaramila Breziliana.
GV Face: Ny Tsiambaratelon'i Etazonia “Twitter Kiobàna”

Nampitodika ny sain'ny mpanara-baovao maro ny namoahana fa nisy paikadin'i Etazonia hanohanana ny fanovana fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny mpanao raharaham-pandefasan-kafatra mitovy amin'i antsoina hoe ZunZuneo ary notaterin'ny vaovao fa Kiobàna an'arivony...
Hovitrovitry Ny Tany Mahery Vaika Namely An'i Shily
Horohorontany mahery vaika manana mari-drefy 8,2 no namely an'i Shily Avaratra tamin'ny Alarobia tamin'ny 8:46 alina, ary narahana tsunami izay niteraka antso fanairana manerana ny firenena
Horohorontany Mafy Nanozongozona An'i Shily Sy Pero
Nolazain'ireo mpisera amin'ny Twitter fa rava ny fotodrafitrasa momba ny antso amin'ny finday ary tapaka ny jiro any amin'ny faritra maro any Pero.
Tsy Eken'ny Vehivavy Amerikana Latina Ny Sarisarizoro Mandokandoka Eny An-dalana
Nizara sary sy fanehoana an-tsary ireo mpanakanto sy mpiserasera mba hiampanga ny fisarisarizoro mandokandoka ary mangataka fanajana ny vehivavy.