· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jolay, 2013

Morales Sy Snowden : Tezitra Noho Ny Olana Diplaomatika Ireo Filoha Any Amerika Latina

Lasa sehatra ara-diplomatika isan'ny sarotra indrindra tao anatin'izay taona vitsy lasa izay ny tanànan'i Vienna, Aostralia, tamin'ny fotoana nanaovan'ny fiaramanidin'ilay Filoha Boliviana Evo Morales fipetrahana maika tao, nohon'ny fisian'ny fanakanana [es] an'habakabaka nataon'ny Espaina, Frantsa, Portiogaly ary Italia azy amin'ny fiahiahiana azy ho nanampy an'ilay mpamoaka tsiambaratelom-panjakana Edward Snowden hivoaka an'i Rosia. Naneho ny heviny mikasika ilay raharaha ara-diplomatika tao amin'ny Twitter ireo Mpitondra any Amerika Latina.

07 Jolay 2013

Sary Maro : Ny Polisy Nihodidina Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Tao Rio, Ireo Mponina Niatrika Ny Baomba Mandatsa-dranomaso, Ary Ireo Bala Fingotra

Herinandro lasa izay, Naka sary ilay hetsi-panoherana tao Rio de Janeiro ilay mpaka sary Calé ny 20 Jona ary hitany ireo polisy nitoraka baomba mandatsa-dranomaso sy nitifitra bala fingotra mba "hanaparitahana ny vahoaka tsy hijanona eo amin'ny lalàmben'ny Rio, tanatinà fanararaotam-pahefana tanteraka". Ireto sary manaraka ireto no vokatr'izany sy ny fijoroana vavolombelona.

06 Jolay 2013