· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jona, 2013

Niala ilay Kandidà Voalohany Avy Amin'ny LGBT Ho Ao Amin'ny Kongresy Ao Shily

  21 Jona 2013

Valentina Verbal dia nanao fampielezan-kevitra hanova ny tantara ho voalohany amin'ny vehivavy, nefa teraka ho lehilahy, mpikambana ao amin'ny Kongresy ao Shily. Raha maharesy izy, dia mety hanàna solontena tao amin'ny Kongresy ny vondrom-piarahamonin'ny LGBT ao Shily, mialoha lalana ireo firenena rehetra manerana izao tontolo izao.

Kolombia: Mianatra Amin'ny Vallenato

  20 Jona 2013

Ao amin'ireo mpiserasera Twitter Kolombiana, misongadina ny famoahana fehezanteny avy amin'ny hiran'ny Vallenato -hita amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #Elvallenatomeenseñó [es] (nampianatra ahy ny Vallenato)- ka avoitra avy amin'izany ny tononkira tsy lefin'ny fotoana intsony ao amin'ny hira ahitana taratra ny leson'ny fiainana.

Brezila: Diabe ho an'ny Fandriampahalemana Notanterahan'ny Tanora tao Fortaleza

  17 Jona 2013

An-jatony ireo olona nanao diabe nanerana ny araben'i Canindezinho ao Fortaleza [tanàna faharoa ao avaratr'i Brezila] nandritra ilay fidinana an-dalambe ho an'ny fandriampahalemana, entina indrindra hiampangana ireo famonoan'olona eo anivon'ny tanora, ka noraisina ny fepetra tsy hampisy izany intsony sy hanondroana ny fahalemen'ireo foto-drafitr'asa ao an-toerana fantatra amin'ny anarana hoe...

SARIPIKA: Anjatony Manohitra Ny Saran'ny Bus Nosamborina Tao Brezila

  17 Jona 2013

Nifanehatra tamin'ny famoretan'ny polisy tamin'ny endrika ranona dipoavatra atsifitra, bala fingotra ary baomba mandatsa-dranomaso ny fihetsiketsehana fahaefatry ny Hetsika ho amin'ny Sara malalaka, izay notontosaina tamin'ny alakamisy 13 jona tao São Paulo. Araka ny vaovao farany dia olona 235 farafahakeliny no voasambotra nandritra ny fihetsiketseha-panoherana.