· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2012

Arzantina: Naneho Hevitra Momba Ny Fanomezana ny Orinasa YPF Ho Tantanin'ny Fanjakana Ny Mpamahana Bolongana

  20 Avrily 2012

Niteraka sahoan-dresaka teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Arzantina ny fanambarana fa omena ho tantanin'ny fanjakana ny orinasa mpamokatra solika YPF, izay fehezin'ny Repsol Espainola, sy ny famindrana ny 51%n'ny renivola ho an'ny govermanta Arzantina. Amin'ny ankapobeny, rehefa misy ny lohahevitra resahina ao Arzantina, mizarazara ny hevitra eo amin'ny mpanohana sy ny mpanohitra ny governemantan'i...

Arzantina: “Tsy Matoky Ny Sekoly Aho Fa Mino ny Soa Azo Avy Amin'ny Fanabeazana”

  14 Avrily 2012

Namoaka ny voalohany indrindra amin'ny andian-dahatsary manindry letam-pahefana ny rafi-pampianarana mahazatra mitondra ny lohateny hoe Tsy matoky ny sekoly aho fa mino ny soa azo avy amin'ny fanabeazana ny Educación Viva (Miaina ny Fanabeazana). Ao amin'ny lahatsary ahitana dika an-tsoratra no ahitana lahy sy vavy mihoatra ny 20 miantsa an-tononkalo ny mahasamy hafa ny rafi-pampianarana sy izay heverin'izy ireo ho fanabeazana.

Arzantina: Teratany An-drenivohitra Mitady Dika An-tsoratra Amin'ny Lahatsarim-Pampafantarana Momba Azy Ireo

  13 Avrily 2012

Mitady mpanolotena hanampy azy ireo hametraka dika an-tsoratra amin'ilay lahatsary fampafantarana, dika an-tsoratra ho amin'ny tenin'ny taranaka vazimba teratany hita any Arzantina tahaka ny Quechua, Aymara, Mapuche ary ny Guaraní ary indrindra ihany koa amin'ny teny anglisy Ny lahatsary fampafantarana misongadina ao amin'ny Creative Commons, Runa Kuti miresaka momba ireo taranaka vazimba teratany...

Bolivia: Manery Hahazoana Aterineto Tsara Kokoa Ireo Mafana Fo

  12 Avrily 2012

Any Bolivia, anivon'ireo lafo inrindra eran-tany ny fidirana Aterineto. Meda ny tolotra ary tsy mbola misokatra ho an'ny ankamaroan'ny mponiny. Misy vondrona mafana fo iray misolo vava na ao amin'ny aterineto na tsia ho ana fidirana aterineto ara-dalàna kokoa.

Fifaninanana Lahatsary Firefox Flicks

  09 Avrily 2012

Ny fifaninana manerantany Firefox Flicks dia hanome loka ho an'izay lahatsary fampianarana fohy ho an'ny mpiserasera mikasika ny olana momba ny fiainan'olona manokana, ny safidy, ny kirakira afa-mifampiditra sy ny fanararaotra amin'ny aterineto, ary koa ny fomba ahafahan’ ny Firefox hanampy ny olona hiatrika ireo lohahevitra ireo. Efa be ny lahatsary nivoaka...

Panamà: Mandrisika Ny Filoha Hanasonia Ny Lalàna Miaro Ny Biby Ireo Mpampiasa Aterineto

  09 Avrily 2012

Nanaiky lalàna vaovao miaro ny biby fiompy ny Antenimieram-pirenenan'i Panamà. Andro maro aty aoriana nefa, mbola miandry ny faneken'ny filoham-pirenena izany lalàna izany. Mandritra izy fotoana izay, miady hevitra mikasika io lalàna io ireo mpampiasa aterineto ao anatin'ireo tambanjotra sosialy, manosika ny fanekena izany amin'ny alalan'ny fandefasan-kafatra mba hangatahana ny Filoha hanasonia izany.

Kolombia: Noafahan'ny FARC Ireo Miaramila Takalonaina 10 ‘Farany’

  06 Avrily 2012

Tamin'ny Alatsinainy 2 Aprily 2012, miaramila efatra sy polisy enina nalain'ny Tafika Revolisionera ao Kolombia (FARC) an-keriny  tamin'ny taona 1998 na 1999, no noafahan‘ireo vondrona mpioko mitam-piadiana ireo ihany tao amin'ny faritra ambanivohitra eo anelanelan'i Meta sy Guaviare (atsimo-atsinanan'i Kolombia). Nambaran'ny FARC ny fanafahana ireo takalonaina enina tamin'ny taon-dasa, ary tamin'ny volana Febroary, nanambara ny...

Bolivia: Tanana Ratsy Fihetsiky ny Ben'ny Tanànan'i Santa Cruz

  05 Avrily 2012

Tsy vao voalohany ny Ben'ny tanànan'i Santa Cruz, Percy Fernández no tratra tamin'ny lahatsary amin'ny fitondratena ratsy ataony. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tamin'ny 29 Martsa 2012, nandritra ny hetsika ho an'ny daholobe, izay nahitana azy niaraka tamin'ilay mpikambana mpanolotsaina monisipaly Desirée Bravo. Raha nitsangana handray fitenenana ho an'ireo mpanatrika marobe i...