· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Janoary, 2012

Peroa : Mozika Krismasy Afro-Peroviana

  20 Janoary 2012

Ny Krismasy, fankalazana iray izay nentin'ny Espaniola tao Peroa tany amin'ny fanombohan'ny taonjato faha enina ambin'ny folo, dia neken'ireo vondrom-piarahamonina samihafa tao amin'ny firenena tsikelikely nandritra ny taona maro. Iray amin'ireny indrindra , ny vondrom-piarahamonin'ny mainty hoditra, izay saiky niara-tonga tamin'ireo Eropeana, sady Kistianina mafàna fo, no nahavita nampiditra ny maha-izy azy tao amin'ilay fety, naneho ny zavatra niainany manokana tanaty asa famoronana ara-javakanto natao ho fanomezam-boninahitra ilay fety.

Venezoela: Niteraka Resabe ny Fitsidihana Nataon'i Mahmoud Ahmadinejad

  13 Janoary 2012

Tonga tao Venezoela ny filoha Iraniana, Mahmud Ahmadinejad, tamin'ny Alahady 8 Janoary, fitsidihana voalohany amin'ny fitetezam-pirenena ataony izay mbola hitohy ao Nikaragoay, Kiobà ary Ekoatera. Niteraka resabe teo amin'ny valantserasera ny fitsidihana nataony, ka nampametram-panontaniana ny mpiserasera raha hitondra tombotsoa ho an'ny firenena na tsia ny fahantongavany. Tao amin'ny Twitter,...

Malaza an-Tserasera Ny Mifohaza Meksika! Manohitra Ny Herisetra

  08 Janoary 2012

Nanaika ny mpanakanto, mpamorona, ary haino aman-jery hanambatra ny heriny ny fisian'ny herisetra sy ny tsimatimanota nandritra ny taona vitsivitsy ka hanao fanentanana hanova ny antontan'isa ho anaran'olona sy tantara. Amin'ny alalan'ny tetikasa ifarimbonana no itadiavany avy amin'ny mpijery azy ireo olona efa niharan'ny herisetra hafa ka hanome feo ireo niharan'ny herisetra ireo....

Miresaka Momba Ny Mety Hamelana Heloka An'i Alberto Fujimori ny Peroviana

  05 Janoary 2012

Ny iray amin'ny lohahevitra tena ifanakalozan-dresaka be ao Pero ankehitriny, indrindra fa any anaty tambajotra sosialy, dia ny mety hahazoan'ilay filoha teo aloha Alberto Fujimori, izay manefa sazy 25 taona any an-tranomaizina noho ny heloka bevava mahakasika zon'olombelona sy kolikoly, famelàna noho ny maha-olona.

Chili : Manambatra ny hery hanavotana ny torapasik'i Concon ny mponina

  05 Janoary 2012

Taorian'ny vinavina nataon'ny orinasa Renaca Concon SA hanangana trano goavana eo anivon'ny torapasik'i Concon [es] dia nisedra ny hatezeran'ny mponina any an-toerana ity orinasa ity, mponina izay tapa-kevitra fa hiaro ny tontolo iainana any Chili. Kanefa tamin'ny 27 desambra 2011 dia nitranga ny nofy ratsy : voahodidina fefy ny toerana...

Global Voices Podcast: Taom-baovao 2012 Feno Fahavitrihana

  04 Janoary 2012

Anatin'ity andian'ny podcast ity dia hamerina hibanjina ny taona 2011 isika, handinika ireo fitoviana sy fahasamihafàna eo amin'ny fanaovan-gazety mahazatra sy ny fampiasàna ny media vaovao, hamantatra momba ny fihaonan'ny Rising Voices mitondra aingam-panahy natao tany Bolivia mba hanohanana ny fivoaran'ny tontolon'ny bilaogin'ireo teratany sy tsy mitovy ara-piaraha-monina. Nanao dia tamin'ny kodiaran-droa eraky ny aterineto ihany koa izahay