Tantara mikasika ny Amerika Latina
Tondra-drano any Brezila, nanjary adihevitra nasionaly ny fanavakavahana ara-tontolo iainana
Niteraka fahafatesan'olona 12 sy faharavana tamin'ny volana Janoary ny tondra-drano sy ny oram-be tany amin'ny fanjakan'i Rio de Janeiro. Taorian'ny nanamarihan'ny minisitry ny fitoviana ara-poko Anielle Franco ny fanavakavahana ara-tontolo iainana, dia niteraka adihevitra nasionaly io teny io.
‘Marta’, lasa loka iray ho an'izay baolina maty tsara indrindra amin'ny tontolon'ny baolina kitra vehivavy
In'enina voafidy ho mpilalao tsara indrindra maneran-tany ary miaraka amin'ireo 20 taona mahery nilalaovany, lasa olo-malazan'ny baolina kitra breziliàna ilay Breziliàna atlelta Marta Vieira da Silva, no sady mpiady ho an'ny fitovian-jo
Niteraka hatezerana nanerana an'i Amerika Atsimo ny famonoana an'i Julieta Hernández, vehivavy Venezoeliana mpifindra monina any Brezila.
Mpanakanto an-dalambe be mpankafy, mpanao hatsikana sady mpiaro ny mpitondra bisikileta i Hernández Martínez. Araka ny voalazan'ny polisy sivily Amazonas, mpivady iray teo an-toerana no niaiky ny heloka bevava namono ilay mpanakanto.
Androm-piravoravoana ny volana Desambra manontolo ao Kôlômbia
Firavoravoana telo no mameno fetibe ireo arabe ao Kôlômbia hatramin'ny faran'ny Novambra. Saingy vitsy ny olona mahalala ny fombandrazana ara-tantara niavian'ny tsirairay amin'izy ireny
Ny fomba ataon'ireo tanora avy any ambanivohitr'i São Paulo hidirana amin'ny sehatra pôlitika
Tsy misy herintaona akory mialoha ny fifidianana ben'ny tanàna hatao amin'ny 2024 ao Brezila, maneho ny fitakian-dry zareo manokana ireo tanora avy any ambanivohitra, momba ny fandaharanasa pôlitikam-pitondràna ao anatiny sy ivelan'ireo antoko
Nanohana fanentanana anjotra manohitra ny fanalan-jaza ny politisiana breziliana mialoha ny didim-pitsarana tampony
Naka fijoroan-kevitra anoherana ny fanalan-jaza sy nitsikera ny Fitsarana Faratampony tao amin'ny Instagram sy Facebook ary nitsikera ny Fitsarana Faratampony noho ny nanemorany ny didim-pitsarana
Ny trosan'i Shily ankehitriny amin'ireo lasibatry ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona
"Raha mbola eken-dry zareo ny fahamarinana sasany momba ny jadona 50 taona lasa izay, inona no azo antenaina amin'ny fitroarana ara-tsosialin'ny taona 2019?" manontany ilay mpanao gazety Shiliana Nicolás Lazo Jerez.
Nahazo fanakianana noho ny fanakanana ny ampahany amin'ny aterineto tsara aro ny governemanta Meksikana
"Fahadisoana ny fanakanana ny ampahany manontolo amin'ny aterineto noho ny fiheverana izay efa lany andro fa tsy azo avahana na manimba ny fifamoivoizana rehetra ao amin’ny tambajotra Tor." Hoy ny mpitondra tenin’ny Tetikasa Tor.
« Tsy maintsy averintsika ametrahana fanontaniana anatin'ny ara-dalàna ny momba ny fanjanahantany», hoy ilay Kôlômbiàna mpisolovava
« Mino aho fa ilaina any rafi-pitsaràna iray mandray anaty kajiny ny tany izay ifampizaràntsika amin'ireo zava-miaina isankarazany [...] ary mampiditra ho ao anatin'ny fanadihadiana araka ny lalàna ireo fahalalàna nananan'ireo razambe. »
An'ny voambolana ny fitenenana : Fizaràna faha #07
Ato anatin'ny fizaràna ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, asongadinay ireto telo ireto : essencerie, ny mistery niavian'ny "PF" ary ny "a belle époque paraense".