Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Nikaragoa

31 Desambra 2017

Amerika Latina: Antso Ho An'ny Fandriampahalemana Ao Gaza

ho mariky ny firaisankina miaraka amin'ny vahoaka Palestiniàna, izay mety ho hitantsika any anaty bilaogy maro samihafa any

22 Desambra 2017

Nikaragoà: Ampitain'ny Media Sosialy Miampita Sisintany Ny Rariny

Mihoatra ny fahamarinan'ny zava-misy marina sy ny tsy fahamelohan'ny ankolafy voakasika, dia anisan'ny ady iray ho an'ny fampitam-baovao nentim-paharazana ao Nikaragoa ( La Prensa , El Nuevo Diario , sy ny fandaharam-baovao amin'ny fahitalavitra) ny tsindrin'ny media sosialy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy.

30 Jona 2017

Nikaragoà: Rindrambaiko Malalaka Ao amin'ny Andrim-panjakana

Miara-miasa amin'ireo andrim-panjakana ilay bilaogera LEOGG mba hahazo tombontsoa amin' ireo teknolojia sy hahatonga azy ireo mahomby kokoa.

26 Jona 2017

Nikaragoa: Vaovao Farany Ao Amin'ny Twitter Momba Ireo Mpanao Politika

Nahita ireo Nikaragoàna fa mampiasa Twitter ny Firenena Mikambana, manontany izy ireo hoe iza koa ireo mpanao politika mety mampiasa ity fitaovana malaza ity

19 Jona 2017

Nikaragoa: Nahazo Loka Ny Vondrona Andron'ny Rindrambaiko Malalaka

Nanambara ny Andron'ny Fahalalahan'ny Rindrambaiko, fankalazana ny Rindrambaiko Malalaka sy ny Loharanom-baovao Malalaka, fa nahazo ny iray tamin'ireo toerana telo voalohany manerantany ny vondrona SFD ho an'i Nikaragoà noho ny ezak'izy ireo nitondra ny Rindrambaiko Malalaka teo amin'ny vahoaka.

29 Mey 2017

Nikaragoà: Ny Takaitra Navelan'ny Horohorontanin'ny Taona 1972

Tamin'ny 23 Desambra 1972, namely an'i Managoa, Nikaragoà ny horohorontany mahery vaika amin'ny maridrefy 6.2, namono olona 5.000, sy maratra 20.000, ary tsy manan-kialofana 250.000. Ankizy tamin'izany fotoana izany ilay bilaogera Nikaragoàna, Homero, saingy manana ny fahatsiarovana ireo voka-dratsiny, izay nosokajiany tamin'ny lahatsoratra vao haingana tao amin'ny bilaoginy.

11 Desambra 2016

Fomba iray Handikàna ny Fifidianana Filoham-pirenena any Nikaragoà: ‘Demokrasia Tsy Misy Fifanarahana’

"Tsy mitarika ho amin'ny fifampiresahana io kabary io, ary tsy miteraka fientanana eo amin'ny fitondrantenan'ny olom-pirenena."

01 Septambra 2016

Manana Olana Homamiadan'ny Lalan-jaza i Nikaragoà. Ezahan'ny Fambolena Kafe Ny Manampy.

Manana ny taha ambony indrindra amn'ny fahafatesana noho ny homamiadan'ny làlan-jaza ao Amerika i Nikaragoà —ary voatery miatrika ny famoretan'ny fiarahamonina ireo vehivavy na dia amin'ny resaka fitsaboana tena aza.

22 Jolay 2016

Fantaro Ilay Vondrona Feminista Nikaragoaiana Miady Amin'ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy Ao Amerika Afovoany

Manoka-tena ho amin'ny fanabeazana, famoahana (boky aman-gazety) ary fanomanana fihaonana amin'ny fandehan'ny resaka miralenta ao amin'ireo fiaraha-monina ao Amerika Afovoany sy ny fomba ahafahan'ny vehivavy miara-miasa amin'izany ny mpikambana ao aminy

24 Mey 2016

Fanamafisana ny Fiteny Miskitu sy Mayangna ao Nikaragoà Amin'ny Alalan'ny Media Nomerika

Rising Voices

Ity no lahatsoratra voalohany avy amin'ny tetikasa "Miskitus and Mayangnas on the internet" anisan'ny nahazo vatsy hanohanana ny fahavitrihana nomerika ho an'ny fiteny vazimba teratany tamin'ny taona 2015. Vao nentina tao Nicaragua ny tetikasa, ary mikendry ny hanamafisana ny fiteny ao an-toerana miaraka amin'ny fandraisana anjara mavitriky ny tanora.