Tantara mikasika ny Meksika
Asongadin'ny Tetikasa Zazavavindrano ny olan'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ao Meksika
"Iankinan'ny ain-dehibe mihitsy raha mandray anjara mavitrika amin'ny fiadiana ireo firafitra mampifikitra ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ny lehilahy."
HORONANTSARY: Hanenika an'i Amerika Latina ve ny “onja maitson'ny” zo hanala zaza any Arzantina ?
Tsy nahita mivantana ny dinidinika an-tserasera Global Voices Insights momba ny zon'ny fanalan-jaza any Amerika Latina tamin'ny teny Espaniola ve ianao ? Indro ny famerenana.
Nahoana no esorina daholo ireo sarivongana dindon'ny fanjanahantany ao Amerika?
"Ho anay, toy ny fanerena Jiosy iray handalo isanandro manoloana ny sarivongan'i Hitler" ny fandeferana ny fisian'ny karazana tsangambato tahaka ireny.
Nandresy tamin'ny tolona manan-tantara ara-pitsarana ny fikambanam-pifandraisana tarihin'ny indizeny ao Meksika
Afaka manohy manome fidirana finday amin'ny vidiny mora ho an'ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana ao Oaxaca ny fikambanana fifandraisan-davitra tarihin'ny indizeny.
Nankatoa ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana ao amin'ny fanjakan'i Puebla ireo mpanao lalàna Meksikana
Puebla no fanjakana Meksikana farany nankatoa ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana..
(2009) Meksika: Fanahiana amin'ny fielezan'ny gripan-kisoa [mitovy fepetra amin'ny ankehitriny 2020]
Niteraka ahiahy ny fihanaky ny gripan-kisoa izay nahafaty olona miisa 68 tao Mexico sy namparary olona 1.000 hafa. Nahatonga ny fanakatonana ny sekoly sy ny fanafoanana ny hetsika ara-kolontsaina ny valan'aretina. Nitandrina ny mponina eny an-dalambe tao an-drenivohitra mba hialana amin'ilay viriosy raha niandry hahita hoe ve miely ny aretina ny hafa.
Feminista sy mpiaro mpiasa ao Meksika, miatrika andiam-pisamborana sy fampidirana am-ponja
Fandrahonana, fisamborana ary fampidirana am-ponja no nitranga tao anatin'ny 15 andro latsaka.
Mamaivay ny tsikera mahazo ilay tantara foronina miresaka ankohonana meksikana nifindramonina ho any Etazonia
"Ny fahitana an'i Lydia ho gaga hatrany amin'ny fiainana andavanandron'ny fireneny, fiainana haiko tsara amin'ny maha- chicana ahy miaina ao en el norte [avaratra], no lasa mampihevitra ahy fa ... Tsy Meksikana azo itokisana i Lydia. Hita hoe mijery ny tanindrazany amin'ny mason'ny mpizahatany amerikana milalao tafahoatra ny dona ara-pihetsehampo izy."
Avy any Soeda hatrany Meksika, manazava ny antony mampanjavona ny teniny ry zareo indizeny
Kilaometatra an'arivony no manasaraka an'ireo firenena Tavaratra ao Eoropa amin'i Meksika sy Pero, saingy manana toetra iraisana ry zareo, ny famotehana ny maripamantarana an'ireo vahoaka teratany ao aminy
Zazavavy 11 taona nanomboka fanangonantsonia fitakiana ny fialàn'ny filoha meksikàna
Zazavavy meksikàna iray, 11 taona, nanapaka hevitra ny hanao fanangonantsonia hitakiana ny fametraham-pialàn'ny filoham-pireneny, Enrique Peña Nieto, noho izy tsy niraharaha ny fanjavonan'ireo 43 mpiofana ho mpampianatra .