Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Ekoatora

Ny fitsidihan'ny Sekreteram-panjakana Hillary Clinton tany Ekoadaoro 

Nitsidika an'i Ekoadaoro ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton ny 8 Jona 2010, izay nihaonany tamin'ny filoha Rafael Correa mba hifanakalo hevitra momba ny olana samihafa. Ireo mpisera Twitter dia naneho hevitra momba ny fitsidihan'i Clinton, izay nahitana taratra ny andiana fihetseham-po manoloana an'i Etazonia sy ny fifandraisany amin'i Ekoadaoro.

Fivondronan'ny bilaogera miteny Espaniola

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Natombok'i Carmen ity tetikasa vaovao iray ity, Espaniôla iray manana fahalianana manokana amin'ny fampiroboroboana ny fanoratana bilaogy amin'ny teny Espaniôla. Nanomboka nanangona bilaogy vitsivitsy izay nanintona ny sainy izy ary efa nihoatra ny zato ny lisitra tamin'ny fotoana nanoratana....

Ekoadaoro: Ny taona 2009 ho an'ny tontolon'ny bilaogy Ekoadaoreana

Tamberina noho ny faran'ny taona

Ekoadaoro: Ny feon'ny findaiko sy ny fitantarana isan'andro ataon'olontsotra

Ao amin'ny faritra saro-dalana manodidina an'i Quito, Ecuador, napetraka ny kamiao kely norakofana tsara nandritra ny tontolo andro mba hampianatra momba ny tontolon'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra. Ahitana seza maro ary koa birao mihitsy aza ao anatin'ilay fiara, antsoina hoe "Mi Voz Móvil" (Ny Feon'ny Findaiko), ampy tsara handraisana mpanao gazety.

Fiarahaban'ny vehivavy!

Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.

Misafidy i Ekoatora

Taona nisiana fifidianana niteraka adihevitra sy noresahina be manerana an'i Amerika Latina iny. Raha toa ka misento amin'ny fahatoniana ireo mpanaramaso ny fifidianana taorian'ilay famaranana taraiky ny fandresen'i Felipe Calderón izay niteraka adihevitra be tany Meksika, efa fotoana sahady hieritreretana an'i Brezila, Venezoela, Nikaragoa sy i Ekoatora izao;

Ekoadaoro: Ahiahy momba ny fiarovana sy fiainana manokana ao amin'ny aterineto

Zavatra tsy mbola hita tamin'ny vaovao, fa mety ho mahagaga ihany koa ny fanontaniana momba ny fiarovana amin'ny aterineto sy ireo tranga fijirihana vao haingana.

Nahandron'i Amerika Atsimo vitsivitsy

Karaza-nahandro dimy avy any Amerika Latina atolotra anareo anio, na dia hovakiana fotsiny aza...

Ekoatora: Manadihady Ny Tatitra Nataon'ny Kaomisiona Misahana Ny Fahamarinana Ireo Blaogera

Tamin'ny May 2017, najoro tao Ekoatora araka ny didim-panjakana ny kaomisiona iray misahana ny Fahamarinana mba hanadihady sy hamory ireo vaovao mikasika an'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona izay naha-tomponandraikitra ny polisy sy ny tafika tao anatin'ireo taona 25 lasa. Ny 7 May lasa teo, taorian'ny 3 taona nijoroany, nanolotra ny tatitra nataony...

Amerika Latina: Blaogera, Fiarakodia Ary Ny Zavamisy Amin'ny Fahitalavitra

[...] rehefa fantatry ny tontolom-bolongana kolombiana fa nandeha nitsangantsangana nandritra ny herinandro ho an'ny Chevrolet i Patton malaza, ny ankabeazanay dia tsy manao afatsy ny nitsiriritra azy ary nirary azy ho tsara mandroso tsara miverina.