· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Kiobà tamin'ny Janoary, 2019

Nesorin'ny SourceForge Ny Lamba Nandrakotra

GV Mpisolovava  11 Janoary 2019

Tamin'ny Janoary lasa teo, tamin'ny andro izay nanaovan'i Hillary Clinton, Sekreteram-panjakana amerikàna, kabary momba ny fahalalahan'ny aterineto, nobahanan'ilay vondrom-piarahamonin'ny loharano misokatra, SourceForge, ny fahafahana miditra ho an'ireo mpisera ao Sodàna, Siria, Iràna, Kiobà ary Korea Avaratra, tafiditra ao anatin'ny ezaka hifandrindra amin'ny fepetra amerikàna momba ny fanondrànana harena sarobidy any amin'ireny firenena ireny. Ny Alahady, ,ilaza ny SourceForge fa nesorina ireo fibahanana, ary navoakany ny stratejiany vaovao hifandrindra amin'ny lalàna amerikàna.