Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Kiobà tamin'ny Avrily, 2008

Kiobà: Shina – Tibet, fanehoan-kevitra

“Araka izay efa mety ho renao, dia nahomby ny fanembatsembanana nataon'ny mpilahatra an-dalambe, miantso ny Shina Komonista hanaja ny zon'olombelona sy hiala an'i Tibet, nandritra ny fampitana ny afo olaimpika tany amin'ireo tanàna Eoropeana lehibe.” : Nifantoka tamin'ny fanehoan-kevitry Kiobà ny Zanaky ny Revolisiona (Child of the Revolution).

Kiobà : Nahazo loka lehibe ny mpamaham-bolongana nosakanana Yoani Sánchez

Yoani Sánchez angamba no mpamaham-bolongana malaza indrindra any Kiobà, firenena izay voaramaso sy voafetra ny fahafaha-miditra amin’ny aterineto. Malaza dia malaza ho an’izay rehetra liana momba an’i Kiobà ny bolongan-dravehivavy Generación Y [es] ary avoitran’ny haino aman-jery tandrefana malaza tahaka ny The International Herald Tribune, The New York Times, Público [es]...

Kiobà, Barbada : Fifidianana any Zimbaboe

Samy manapariaka lahantsoratra mikasika ny fifidianana any Zimbaboe ry Child of the Revolution izay Kobana mipetraka any Aotsralia sy Neo-Zealandy, sy Barbados Free Press avy any Barbados. Child of the Revolution dia mampitaha an'i Robert Mugabe sy i Fidel Castro izay mpiaradia hatrizay : Mind you, compared to the Castro...

Cuba: afa-miditra hoe?

“Eny ry zalahy sy ry zavavy, afaka ny miditra amin’izay trano fandraisam-bahiny tianareo idirana ianareo olom-pirenena tsotra eto amin’ny nosy Cuba, rehefa manam-bola vahiny matanjaka. Indrisy, izay indrindra no mandrangitra” hoy Ninety miles away….in another country,(90 maily avy eo…efa firenena hafa) raha ny (telozoro Kiobana) The Cuban Triangle indray no...