Tantara mikasika ny Costa Rica
Ny mahazavadehibe ny fananana mpikatroka Afro-feminista ao amin'ny governemantan'i Costa Rica
"Raha novonoina amin'ny maha mainty, feminista ary amin'ny maha feo mpanivaka azy eo amin'ny politika i Marielle Franco tao Brezila, dia mpitarika nankatoavina avy ao amin'ny hetsika Amerika Latina Mainty hoditra i Epsy Campbell, izay lany ho filoha lefitr'iCosta Rica...."
Kosta Rikà: Nandao ny antoko politikany i Andrea Morales
Niteraka adihevitra i Andrea Morales, solombavambahoaka avy amin'ny Antokon'ny Hetsiky ny Olom-pirenena (PAC) raha niala tamin'ny antoko politikany izy, izay nisy azy nandritra ny taona maro lasa. Maro no mihevitra fa efa nampoizina ny fialàny, ary ny hafa kosa nahatsapa fa voatery nandray izany fanapahan-kevitra izany izy.
Costa Rica: Marary Iray Mitantara Ny Fiainany Manoloanan'ny Homamiadana
Vao nahafantatra fa tratry ny homamiadana ny bilaogera iray avy ao Costa Rica, dia nanapaka hevitra ny hizara teo amin'ny bilaogy ny tantaran'ny adiny tamin'ilay aretina
Costa Rica: Miangavy An'i Dalaï Lama Ny Filoham-pirenena Arias Mba Hanemotra Ny Fitsidihany
Tena mila fitandremana ny tsy maintsy hisafidianana amin'ireo namana roa ho asaina amina fety. Nefa tsy maintsy izay, no nataon'ny filoham-pirenena an'i Costa Rica.
Kosta Rika : Miaro Ny Tontolo Iainana Ve Ny Toeram-Pitrandrahana Mitafo Lanitra? Tsia, Hoy Ireo Blaogera
Nampiaka-peo ireo blaogera ao Kosta Rika nampaneno ny lakolosim-panairana hanoherana ilay fanapahankevitry ny governemanta hamela tetikasa iray hanapaka ala aminà hektara maro ho an'ny toeram-pitrandrahana volamena mitafo lanitra ao akaikin'ny sisintany iarahany amin'i Nikaragoa.
Kostà Rikà: Fifanolanana mikasika ny fahaleovantenan'ny oniversite UCR
Tamin'ny 12 Aprily 2010, fara fahakeliny polisy manamboninahitra 60 avy amin'ny Sampana mpanao Fanadihadiana ara-pitsarana Kosta Rikana (OIJ raha hafohezina amin'ny teny Espaniôla) sy mpikambana ao amin'ny polisy no tonga tao amin'ny Oniversiten'i Kosta Rika (UCR) mba hisambotra manamboninahitra misahana ny fifamoivoizana ao amin'ny toby, izay voampanga ho nanao kolikoly.
Kostà Rikà: Ankihibe midina sy miakatra (tia sy tsy tia) hanaovana fanentanana dokambarotra
Nandritra ny herinandro vitsy, nosesefana dokambarotra ara-politika i Kosta Rika noho ny fahakaikezan'ny fifidianana filoham-pirenena, izay hatao ny alahady 7 febroary 2010. Noho izany dia nanao izay vitany ny kandidà ho filoham-pirenena mba hisarihana mpanohana bebe kokoa amin'ny tanjona lehibe handresy amin'ny fifidianana.
Costa Rica: Lahatsary antserasera miampy vazivazy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena
Maro ireo KostaRikana no naneho ny ahiahiny mikasika ireo kandidà sy ny hoavin'ny fireneny tamin'ny fanesoana sy ny vazivazy tao anaty lahatsary nandritra ny fifidianana filoham-pirenena tao Costa Rica izay natao ny Alahady.
Nahavita Dingana Amin'ny Ady Amin'ny Fanavakavaham-Bolonkoditra i Costa Rica Raha Nifidy Vehivavy Mainty Hoditra Ho Filoha Lefitry ny Firenena
“Io no fomba iray hamerenan-kasina ny vondrom-piarahamonina mainty tsy ao Costa Rica ihany fa manerana an'i Amerika Latina mihitsy."
Manoratra Bilaogy Any An-tsesitany
Mety antony hafa no mahatonga ny olona hanao sesitany ny tenany fa tsy ny fanaovana bilaogy irery ihany.