Tantara mikasika ny Shily

Shily: Eritreritra momba ny horohorontany sy ny dingana fanarenana

  01 Jona 2018

Ny Fihaonamben'ny Median'olon-tsotra Global Voices 2010 dia mikasa hampandray anjara ireo bilaogera Shiliana amin'ny alàlan'ny fifaninanana bilaogy nokarakaraina niaraka tamin'ny fiarahamiasan'ny fikambanana OCD Iberoamérica. Tamin'ny andro voalohan'ny hetsika ho an'ny daholobe, bilaogera Shiliana dimy no nomem-boninahitra amin'ny mahafinalista azy ireo, ka ny iray no mibata ny loka lehibe indrindra.

Shily-Etazonia: Ilay Fihaonan'i McCain sy Pinochet Tamin'ny 1985

  24 Mey 2018

“[ilay] nandà mafy indrindra ny tsy hipetraka eo anilan'ny mpanao jadona raha tsy efa misy fifanarahana mialoha, no nanao izany tamin'ny iray amin'ireo fahavalo tena henjana ho an'ny zon'olombelona, tomponandraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo olontsotra maherin'ny 3.000 ary famonjàna an'aliny marobe.”

Ilay Vehivavy Voalohany Voafidy Ho Filoha Tao Shily

  23 Janoary 2018

Nandresy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tany Shily i Michelle Bachelet , fiarahan'ny elatra afovoany ankavia, nahazo vato 53,49% izy niohatra tamin'ilay kandida mpifaninana taminy, ilay mpandraharaha Sebastian Piñera izay nahazo vato 46,50% avy amin'ny elatra afovoany ankavanana araka ny vokatra ofisialy