Tantara mikasika ny Brezila
HORONANTSARY/RAKIPEO: Mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Tsy nahita ny fandefasana mivantana ny fivoriana Global Voices Insights momba ny zon'ny fanalan-jaza any amin'ny firenena miisa dimy tamin'ny 7 Aprily ve ianao ? Indro ny famerenana.
MIVANTANA amin'ny 7 Aprily: Krizy ara-pahasalamana iray hafa – mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Miteraka fahafatesan'olona manodidina ny 30,000 isan-taona ny fanalan-jaza tsy azo antoka. Manasa anao hihaino ireo vehivavy avy any Oganda, Thailandy, Brezila, Pakistan ary Polonina hiresaka momba ny zo ara-pananahana any amin'ny firenena misy azy ireo.
Brezila, rakitra tafaporitsaka momba ireo olona an-jatony lazaina ho mpankahala fasista
Miaraka amin'ny fitomboan'ny hetsika mpankahala fasista ao Brezila, lisitra roa no hita ety anaty media sôsialy, nanangonana ny torohay no sady ikendrena ireo olona lazaina ho "antifas"
Brezila: naborak'ireo mpanohitra ny fanalàna zaza ho hita an-tambajotra ny momba ny zazavavy kely iray niharan'ny fanolànana
Manodidina ny enina isanandro ny fanalàna zaza voarakitra ao Brezila, ho an'ireo ankizivavy eo anelanelan'ny 10 sy 14 taona, nitondra vohoka taorian'ny fanolanana
Brezila, navadik'ireo mpakasary ho toy ny trano fanasàna sary hanehoany ny fihibohan-dry zareo ny trano fonenany
Tetikasa iray" Obs-cu-ra", natomboka sy tarihan'i Bruno Alencastro, nanainga ireo mpakasary mba handrakitra ny fihibohan-dry zareo tamin'ny fomba tsotra dia tsotra.
Pastora Angoley maromaro nisintaka tamin'ny Eglizin'ny Fanjakan'Andriamanitra Erantany
"Eglizy Erantanin'ny Fanjakan'Andriamanitra nohavaozina ao Angôlà" no anarana toa hipetraka ho an'ilay eglizy vaovao nivoaka avy amin'ny fivakisana
Taorian'ireo hetsika “Black Lives Matter”, lasa marika amantarana tsy fitoviana sy fanavakavahana ao Brezila ny fahafatesan'ny ankizy mainty hoditra iray 5 taona
Nianjera avy amin'ny rihana fahasivy i Miguel raha izy ilay napetraka ho jerijeren'ny mpampiasa an-dreniny
Tsy tarehimarika fotsiny: Takelapahatsiarovana an-tserasera anomezana voninahitra ireo matin'ny COVID-19 tao Brezila
"Afaka fotoana elaela, manomboka very ny tena dikan'ireny tarehimarika ireny fa lasa toy ny tarehimarika amin'ny famantaranora, fampitandremana, na izay rehetra azo sainina ankoatra ny hoe olona. Dia lasa tsy miraharaha isika."
COVID-19 hitondra zavadoza any amin'ireo fonja hipoka ao Brezila, efa nisy iray maty
Olona 750.000 no mihiboka any am-ponja ao amin'ilay firenena. Izy no fahatelo erantany manana olona betsaka indrindra any am-ponja, manaraka an'i Etazonia sy Shina.
COVID-19, mamely ireo vazimba teratany mpifindra monina ao Venezoelà ihany koa
Kely no mba zavatra fantatra mikasika ireny vehivavy miaina anatin'ny iray amin'ireo vondrompiarahamonina marefo indrindra ireny, satria izy ireny sady teratany, no mpifindra monina ary koa vehivavy.