Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Okraina

27 Oktobra 2018

Mampisahana ny fampiharana lalàna any amin'ny orinasa tsy miankina iray tsy manaja ny zon'olombelona i Okraina

Raha ara-teknika, dia tsy mpitandro filaminana ara-panjakana izy ireo. Mifototra amin'ny fifanarahana nosoniavina teo amin'izy ireo sy ny tanàna ihany ny fe-potoam-piasan'izy ireo - izay miovaova be isaky ny tanàna - ary tsy misy mihitsy ny rafitra momba ny fandraisana andraikitra.

18 Oktobra 2018

Fitetezana bilaogy manerantany isaky ny alarobia (jona 2006)

Manana sary avy ao amin'ny tranoben'ny Fitsarana Tampony ao Bishkek, Kirghizistan i Nathan ao Registan, izay olona an-jatony no nanafika ny tranobe mba handroaka ireo mpanao fihetsiketsehana izay nibodo ny trano hatramin'ny volana Aprily. (Nitaky ny fialàn'ireo manampahefana rehetra notendren'ny filoha teo aloha Akayev ireo mpanao fihetsiketsehana.)

17 Oktobra 2018

Okraina: Fampihenana ny Vokadratsy sy Fampiharana ny Lalàna, Fizaràna Faha-2

Tamin'ny Oktobra farany 2008, nanoratra mikasika ny fiezahany hampianatra vondrona manampahefana tao amin'ny polisy ao Kyiv momba ny fandaharanasa mikasika ny fampihenana ny vokadratsy ny Okrainiana iray blaogera. Na toa tsy dia liana aza tamin'ity fomba fijery mbola-tsy-malaza mikasika ny fandraisana an-tànana ny zava-mahadomelina ity na tamin'ny fahazoany kapaoty maimaim-poana...

13 Septambra 2018

Okraina: Fanamarihan'i Marat Gelman

Mba hiomanana amin'ny fitsidihany taorian'ny fifidianana tao Kyiv tamin'ny herinandro lasa teo, nijery ny Ukrayinska Pravda, loharanom-baovao antserasera malaza momba ny vaovao ara-politika, niara-naorin'i Georgiy Gongadze tamin'ny taona 2000 i Marat Gelman, mpisera LJ galerist, Rosiana mpandraharahana ara-javakanto, ary voalaza fa "mpanolo-tsaina miafina"an'i Victor Yanukovych.

02 Septambra 2018

Ahoana ny fomba nitehirizan'ny nasionalisma ny vakoka kristiana ôrthôdôksa tamin'ny vanim-potoana URSS

Nandritra ny vanim-potoana URSS, nilaina hanairana ny fitiavan-tanindrazan'ny mponina ihany koa ny vakoka kristiana ortodoksa

31 Aogositra 2018

Okraina: Vazivazy momba ny amboara manerantany

Toa nahatsikaiky ny vazivazy malaza momba ny zava-bita mahavariana sy tsy nampoizina tanteraka tamin'ny Amboara Manerantany tany Okraina - sy ny loza ara-bola naterak'izany ora vitsy lasa izay. Nandresy an'i Okraina avy eo i Italia tamin'ny ampaha-efa-dalana tao Hamburg. Tsy mampihomehy intsony, ho an'ny maro avy eo ny vazivazy.

16 Aogositra 2018

Okraina: Lokaloka amin'i Youshchenko

Tamin'ny Asabotsy teo, olona an'aliny no nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana lehibe tao Kiev: nivory tao amin'ny Kianjan'i Eoropa ireo mpanohana ny Praiminisitra Viktor Yanoukovitch sy ny governemanta fiaraha-mitantanany mba hanohitra ny tetikasan'ny filoha Viktor Youchchenko hanafoana ny parlemanta.

06 Aogositra 2018

Okraina : Te-hahazo fitsaboana mahasolo tsara kokoa ireo miankindoha amin'ny zavamahadomelina

Rising Voices

... Ilaina noho izany ny mahazo fanafody miasa 24 ora farafahakeliny ary tsy misy fiantraikany ratsy....Fa raha tsy izany dia hihena ho ora vitsivitsy monja ny tsy fahenoana hirifiry ka tsy hisy ny fanantenana ho an'ny marary hanana fiainana mavitrika sy araka ny tokony ho izy.

03 Aogositra 2018

Maneho fitomboan'ny fandrahonana mpanao gazety ao Okraina ny fanafihana nataon'ny mpiambina ny kaominina

GV Mpisolovava

Nanafika vondrona mpanao gazety tamin'ny etona mandatsa-dranomaso sy kibay fingotra ireo mpiambina ny tanàna ao Odessa.

31 Jolay 2018

Inona no nanjo ny zo niomerika nandritra ny fito taona lasa? Hilaza izany aminao ny andiany faha-300 amin'ny Tatitry ny Olon-tsotra Mpampiasa Aterineto

GV Mpisolovava

Amin'ity herinandro ity, miverina mijery ireo fito taona nandrakofana ny vaovao maneran-tany momba ny zo niomerika ho fankalazana ny andiany faha-300 nosaratanay izahay!