Tantara mikasika ny Serbia tamin'ny Janoary, 2019
Natao fisavana manokana tao amin'ny tranombarotra serba goavana iray, niampanga ilay fivarotana ho mpanavakavaka ity Roma mpihira opera ity
Nirehitra ny tambajotra sosialy Serba rehefa nampangain'i Nataša Tasić Knežević, mpihira opera sady superstar malaza, Roma fiaviana, ho mpanavakavaka ny tranombarotra iray goavana tao an-tanànan'i Novi Sad, tamin'ny fandefasana lahatsary mivantana tao amin'ny facebook.
Serbia: Paradisan'ireo Mpifoka Sigara
Nanamarika ny Androm-pirenena ho an'ny tsy Fifohana Sigara i Serbia ny 31 Janoary teo, saingy, araka ilay voalazan'ny bilaogera Serbiana iray, "Paradisa sy El Dorado an'ireo mpifoka sigara i Serbia."
Serbia: Belgrade ho an'ny Monopoly
Iray amin'ireo kilalao lalaovina amin'ny boritra malaza indrindra eran-tany ny Monopoly, ary misy fifidianana ireo tanàna 24 izay ampidirina anatin'ny Fanontana Manerantany an'ity kilalao ity mandeha amin'izao. Nikarakara hetsipanentanana ireo bilaogera Serba mba hanampiana ny renivohiny, Belgrade, hahazo toerana iray anatin'ny lisitry ny Monopoly.
Kroasia, Serbia : Sainan'ny fisakaizàna
Mba ho tandindon'ny fampihavanana ny firenena roa tonta dia namorona saina nampitambarana ny an'i Serbia sy Kroatia ny tanora roa avy amin'ireo firenena roa tonta ireo. Marobe ireo Serba sy Kroaty mpisera amin'ny aterineto no naneho hevitra tamin'io vaovao io, ny sasany manameloka, raha ny hafa kosa nankasitraka.