Tantara mikasika ny Serbia tamin'ny Mey, 2018
Serbia: Etazonia An'i Barack Obama, Zava-baovao Iray Ho An'izao Tontolo Izao?
Barack Obama no filoham-pirenena vaovao ao Etazonia. Heveriko fa tsy mety hisy zava-baovao ho an'i Serbia izany (na inona na inona, mivantana be) satria tsy hiova ny politika amerikana mikasika an'i Serbia sy Kosovo. Na izany aza, raha toa tena manaja ireo fampanantenany tamin'ireo fifidianana ny filoham-pirenena vaovao dia tokony hihatsara ny toe-draharaha eran'izao tontolo izao, na ho kely monja aza, ary noho izany ho an'i Serbia koa fa tsy mivantana.
Serbia: Bilaogera miresaka momba ny fisamborana an'i Radovan Karadžić
Andro vitsy monja taorian'ny fitsingerenan'ny faha 13 taonan'ny famonoana tao Srebrenica, izay olona maherin'ny 7.000 no namoy ny ainy, ary sivily Miozolomana ny ankamaroan'izy ireo, voasambotra i Radovan Karadzic, filoha teo aloha tao amin'ny Repoblika Srpska. Miresaka momba izany ireo bilaogera.
Balkana, Rosia: Voasambotra i Radovan Karadžić
Araka ny tatitra, voasambotra tao Serbia tamin'ny alin'ny Alatsinainy ny lehiben'ny Serba Bosniana teo aloha sady anisan'ny gadra nitsoaka karohana indrindra manerantany, Radovan Karadžić.