Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2015

Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Novambra, 2015

Hahazo Fahefana Ivelan'ny Lalàna Hanakatona Habaka Ny Mpanara-maso Ny Aterineto Ao Rosia

Afaka manakatona tranonkala ho an'ny mpiserasera Rosiana tsy misy didy avy amin'ny fitsarana ny Roscomnadzor, saingy mbola azon'ireo mpiserasera ivelan'i Rosia jerena izany—miitatra ny fahefan'ny Roscomnadzor.

Nandefasan'ny Tambajotran-tsosialy malaza indrindra ao Rosia hafatra manokana avy amin'ny governemanta ny mpiserasera miisa 20.000

Nolazain'ny Vkontakte fa mba hitany voafangitra avokoa ireo mpiserasera rehetra nanao zavatra vao haingana tao Ejipta, nifandray tamin'izy ireo tamin'ny anaran'ny governemanta rosiana. “Tsy misy ny fikendrena manokana fanampiny,”

Artista Rosiana Mpanao Fampisehoana, Notànana Noho Ny Nandrehetany Ny Foiben'ny Sampana Fiarovana Federaly

Pavlensky, fantatra amin'ny kanto manaitra ary indraindray kanto vita tsara fa manafintohina, nilaza fa hetsika iray entina mampiseho ny "fomba feno fandrahonana tsy miato" ataon'ny FSB amin'ireo olon-tsotra, ny fandoroana ireo varavarana.

Mihabetsaka ny isan'ny hetsi-panoherana ao Rosia, hoy ny navoakan'ny fanadihadiana

Nisy fitomboana 15 isanjato ny hamaroan'ny fihetsiketseham-panoherana rehetra tao Rosia voarakitry ny manampahaizana raha oharina tamin'ny enimbolana voalohany 2014.

Mihevitra Hampiditra Ny ISIS Ho Ao Anatin'ny Lisitry ny “Fikambanana Tsy Miankina Tsy Iriana” Ny Mpanao Lalàna Rosiana

Voalaza fa manomana lisitra fanampiny vaovao ao anatin'ny "lisitra-farany" misy ireo fikambanana tsy miankina ny loholona, mitady handràra ireo vondrona vaovao maromaro, anisan'izany ny vondrona ISIS mahery fihetsika tsy ara-dalàna sy efa voaràra ao Rosia.

Valifatin'ny Olona Iray Manohitra Ny Fampielezankevitra Rosiana

Niasa tao amin'ny mediam-panjakana Rosiana izy, nitantana ny inoSMI.ru. Ankehitriny, mamaly faty ireo olona lazainy ho nanimba ny mediam-panjakan'ny fireneny i Alexey Kovalev.