Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Jona, 2015
Valintenin'ny Facebook Amin'ilay Fitakian'ny Rosiana Sy Okrainiana Hoe ‘Atsaharo Ny Fibahanana Ara-Politika’
Tao anaty fanambaràna iray nalefa ho an'ny Change.org tamin'ny 8 Jona, Thomas Myrup Kristensen, talen'ny politikan'ny Facebook ho an'ny faritra Eoropa Atsinanana sy Rosia, dia nanazava fa mijoro amin'ny politikan'ny fandrindrana ao aminy ilay tambajotra sôsialy.
Toa Hoe Manaiky Hiforitra Amin'ilay Lalàna Momba ny Angon-drakitra Fijerena Toerana Ao Rosia ny Samsung
Ny honohono momba ny fiondrehan'i Samsung manoloana ilay lalàna vaovao momba ny angon-drakitra fijerena toerana dia tonga tao anatin'ireo tsaho nilaza fa marobe ireo orinasa goavana hafa momba ny teknolojia no nanaiky ny hamindra ny angona momba ireo mpampiasa azy ireny ho any amin'ireo lohamilina ao Rosia.
Mpikatroka Rosiana: Mampiasa Ny Kiraro Avo Vodintongotra Sy Rojon'Alika Hanoherana Ny ‘Lalàn'ireo Tsy Mifaditra Ovana’
Natolotra ny Domà tamin'ny May lasa teo ny fanaovana lalàna iray mety hanitatra ny raharaha izay azon'ireo mpiandry fonja ampiasàna hery—hatramin'ireo fepetra mahafaty—rehefa miatrika ny zavatra rehetra miainga avy amin'ny famakiana fonja ka hatramin'ny gadra iray tsy manaiky fandaminana.
Tsy Ara-dalàna Ao Rosia Intsony Ve Ny Anonymizers Amin'ny Aterineto?
Namoaka didim-pitsarana fanakatonana habaka voalaza fa "mpanafina anarana (anonymizer) ny fitsarana Rosiana," ka miteraka ahiahy fa mety ho voaràra ihany koa ireo fitaovana tahaka ny Tor sy ny tolotra mpanafina anarana proxy.
Manangon-tsonia Ho An'ny Facebook ny Okraniana Sy Rosiana Mba “Hampiato Ny Fibahanana Ara-politika”
Ukrainians and Russians are petitioning Facebook on the Change.org website to protest what they insist is an ongoing issue: unwarranted and biased blocking of Ukrainian and Russian Facebook profiles. .................... Manangon-tsonia ao amin'ny Change.org halefa ho ann'ny Facebook ny Okraniana sy Rosiana mba hanoherana ilay itrikitrihan-dry zareo ho fandraràna mitanila, tsy azo antoka, mitohy manjo ireo mombamomba ny Facebook-n'ny Okraniana sy Rosiana
Milaza Ho Nandresy Indray Ny Twitter i Rosia, Kanefa Ito No Tena Nitranga
Tsy vao voalohany izao ny Rosiana mpanivana no milaza fa nandresy lahatra ny Twitter mba hanaraka ireo fangatahana fanesorana. Toy ny teo aloha, tsy marina ny filazàn'i Maosko androany hoe “namafa rohy miisa 32” ny Twitter.