Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2013

Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Desambra, 2013

09 Desambra 2013

Rehefa Tapitra Ve Ny Ainy Vao Ho Afaka Madiodio Ilay Voaibe Rosiana Khodorkovsky?

Akon'ny RuNet

Efa voalahatra hivoaka ny fonja amin'ny taona hoavy i Mikhail Khodorkovsky, voaibe ao Rosia faran'izay mangidy hoditra sady gadra politika malaza, saingy misy ankehitriny ireo famantarana fa mety hiatrika vesatra heloka bevava vaovao izy [ru] alohan'ny hahafahany hifoka rivotra madio

08 Desambra 2013

Ny Basy Volamenan'ny Parlemanta Rosiana

Akon'ny RuNet

Ny Talata lasa teo, noporofoin'ny solombavambahoaka roa fa mbola manana ady sasantsasany tavela ao anatiny ao ny Duma Rosiana, rehefa tonga hatrany amin'ny fifamelezana totohondry tao an-dalantsaran'ny parlemanta izy ireo

07 Desambra 2013

Mahita “Olo-masina” Ho Azy Ireo Ny Nasionalista Rosiana

Niteraka fanaovana kisarisary fanalàna azy vaovao ho an'ny hetsik'ireo nasionalista hiringiriny sy mpanohitra ny mpila ravinahitra ny fitifirana iray nitranga ny 23 Novambra 2013 tao amin'ny Fiantsonam-piarandalamby ambanin'ny tany ao Maosko

05 Desambra 2013

Tsy misy Fahamarinana mikasika ilay Mpanao Gazety Rosiana Voadaroka

Akon'ny RuNet

Voadaroka tamin-kerisetra ary efa saika maty mihitsy ny Mpanao Gazety iray Oleg Kashin, telo taona lasa izay, noho ireo lahatsoratra ara-politika nataony. Mbola mandehandeha malalaka foana ireo nahavanon-doza.

04 Desambra 2013

Maninona No Tsy Hiparitaka Any Rosia Ny Revolisiona Tao Okraina

Akon'ny RuNet

East of the border, Russian bloggers continue to take a keen interest in the developing situation, although there is little consensus about what the protests entail for Russia's own opposition.