Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana
Manodidina ny 47.000 ireo miaramila Rosiàna maty nandritra ilay fananiham-bohitra nidadasika tao Okraina
Tao anatin'ny 15 volana monja nisian'ny ady tao Okraina, avo telo heny ireo miaramila rosiàna maty raha miohatra amin'ny an'ireo andian-tafika sôvietika nandritra ny 10 taona tao Afghanistàna
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #03
Ato anatin'ny fizaràna “Les mots ont la parole - An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireto voambolana na fomba fiteny telo ireto: coming-out; le viens on reste; sy ny Шаромыжник [charomyjnik].
Fahafatesana sy fihaikàna ao amin'ny tanàna manan-tantara Okrainiana taorian'ny fandarohana balafomanga rosiana
Olona folo no maty ary 42 no naratra tao Lviv, tanàna feno mpizahatany, volantera sivily, ary ireo mandositra ny fibodoana rosiana any amin'ilany atsimo sy atsinanana Okrainiana.
Nofenoin'ny Okrainiana sary-sy-soratra ny media sosialy fony nizotra ho any Moskoa ny Vondrona Wagner
Tsy maintsy manome voninahitra ny Foibem-pitondran'ny Tafika aho," hoy ny mpisera iray nanoratra tamin'ny ranty iray hafa niparitaka be tao amin'ny Facebook. "Tany amin'ny toerana tsy nampoizina tokoa no nanomboka ny valim-panafihana."
Mpanao gazety avy amin'ny KRIK Serba, voaheloka noho ny fanakianana ireo fitoriana SLAPP anenjehana ilay trano mpamoaka vaovao
"Asehon'ity didim-pitsarana ity mazava fa nanjary fitaovana lehibe ho an'ny fitondrana ny SLAPP mba hanakatonany ireo haino aman-jery tsy miankina vitsivitsy sisa tavela", hoy ny nambaran'i Stevan Dojčinović, lehiben'ny Tonian-dahatsoratra ao amin'ny KRIK, famoaham-baovaom-panadihadiana Serba.
‘Pozor i styd': manana teny roa hilazàna ny ‘henatra’ ry zareo Rosiàna
Matetika ny fiteny rosiàna no manana heviny roa, raha tokana fotsiny ho an'ny frantsay. Ny iray hamaritana ny hita ivelany, ary ny iray hafa ho an'ny tsapa ao anaty
Tatitra Unfreedom Monitor : Fahafaha-miditra
Efa anaty tatitra iray izao ny valim-pikarohan'ny Advox momba ny fahafaha-miditra amin'ny aterineto. Vakio ny tsonga iray dia trohy ny pdf manontolo momba izany
Fitoriana teny amin'ny fitsarana vao nahazoana torohay vidim-pehezantsakafo ho an'ny mahantra mihoa-pampana
Nampiasa ireo antontan-taratasy azo tamin'ny alalan'ny Lalànan'ny Fahalalahan'ny torohay (FOIA) ny mpanao gazety mba hanambara fa nampitomboin'ny governemanta Hongroà 330 isanjato ny vidin'ny fonosan-tsakafo rehefa nividy ronono amin'ny vola vatsian'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny mahantra.
Fahatsiarovana ny seranampiaramanidina iraisampirenena rava ao Donetsk, Okraine
Tamin'ny 2014, nanjary lasa toe-draharaha mafana ilay seranam-piaramanidina namboarina ho an'ny lalao Euro-2012, ao anatin'ny adin'i Okraina manohitra ny fananiham-bohitra antsokosoko nataon'i Rosia ny faritra Donetsk. Korotam-bato ankehitriny.
Nahita paradisan'ny tantely tao Kyrgyzstan ny hongroà mpiompy tantely
Raha nanoritsoritra ny faritra Toktogul, nilaza i Ferenc Takács avy amin'ny Fulmer hoes: “Paradisan'ny tantely ity satria paradisan’ny voninkazo.”