· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Avrily, 2019

Rosia: Bilaogera nosamborina noho ny tsahotsahon'ny pesta

Akon  14 Avrily 2019

Nosamborina tamin'ny 3 Desambra i Ivan Peregorodiev, mpianatra mpitsabo sady bilaogera 22 taona noho ny fanaparitahany tsaho momba ny pesta areti-tratra ao an-tanànan'i Saratov. Nampangain'ny manampahefana ho nampiely vaovao tsy marina mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana izy.

Nitory ny lehiben'ny repoblikan'i Sakha (Rosia) ireo mpikatroka zon'olombelona ao Moskoa noho ny fandraràna ireo mpifindra monina

Akon  13 Avrily 2019

Tsy maintsy hiady amin'ny fihetsik'i Yasen Nikolayev amin'ny antony ara-dalàna manokana ireo mpikatroka zon'olombelona Rosiana tahaka ny "The Land Without Racism and Xenophobia" (Ny tany tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra sy fankahalana vahiny), milaza fa tsy ilaina ny fifehezana ny tsenan'ny mpiasa eo an-toerana any Yakutia.

Fandosirana avy any Okraina, na ny fodian'ny mpampihorohoro Voatabia

Akon  13 Avrily 2019

Roa taona lasa izay, saika roa taona katroka androany mihitsy, nanoratra tao amin'ny [Global Voices Report] momba ny fampiasana "mpampihorohoro voatabia" Andrei Morozov, fantatra kokoa amin'ny hoe Murz, mpanakorontana ao amin'ny RuNet izay nahazo laza voalohany tamin'ny taona 2005 aho:

Rosia: Mahatsiaro ilay sangan'ny Rock ny bilaogera

Akon  12 Avrily 2019

Ny 4 Febroary 2010, nankalaza ny daty nampalahelo ireo bilaogera Rosiana. Telo taona lasa izay, maty noho ny homamiadan'ny hazon-damosina i Ilya Kormiltsev [amin'ny teny Anglisy], iray amin'ireo poeta sy mpanoratra tononkira mana-talenta indrindra sy mampiadi-hevitra indrindra ao Rosia. Tamin'ny taona 2007, nanjary fahafatesana voalohany nalaza indrindra tao amin'ny RuNet ny fahafatesan'i Kormiltsev.