Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Desambra, 2018

Romania: Fihaonamben'ny NATO sy Fifamoivoizana ao Bucharest

"Taorian'ny nihainoako ny tatitra mahakivy momba ny fifamoivoizana maraina tamin'ny onjampeo, gaga aho raha nahita fa malalaka nóho ny andavanandro ny làlana (toy ny amin'ny Alahady mangingina)", hoy ny tatitry ny bilaogera Romanina iray momba ny fifamoivoizana ao Bucharest amin'ny andro voalohan'ny Fihaonamben'ny NATO.

Mitohy ny fihetsiketseham-panoherana herisetra ao Belgrade, raha tafavoaka velona tamin'ny fikasana hamonoana azy ilay mpanao gazety

Heverina ho nitombo indroa avy heny ny fihetsiketseham-panoherana taorian'ny fampilazana nataon'ny filoha serba fa tsy hamaly mihitsy ny fitakian'ny mpProtests are estimated to have doubled in size after Serbian president vows "never" to meet demonstrators' demands.

Slovakia: Tsy Fanekena ny Fisian'i Kosovo

Tamin'ny 17 febroary 2008, nanambara ny fahaleovantenany i Kosovo. Hatreto, 43 tamin'ireo mpikambana miisa 192 ao amin'ny Firenena Mikambana no nanaiky [teny anglisy] an'io fahaleovantena io, izay i Etazonia, i Kanadà, i Aostralia, ary ny ankamaroan'ireo fanjakana ao amin'ny Firaisambe Eoropeana. Ny Fanjakana tena mandà mafy an'io fahaleovantena io, eo...

Serbia: Ny Fifidianana Filoham-pirenena

Notanterahina ny 20 Janoary ny fifidianana filoham-pirenena tao Serbia. Nohamafisin'ny Kaomisionim-pifidianan'ny Repoblika (RIK) fa nandresy ireo mpifaninana sivy hafa i Tomislav Nikolic, mpifaninana avy amin'ny Antoko Radikaly Serba. Nahazo ny 39,4 isan-jaton'ireo vato izy, narahan'i Boris Tadic, filohan'i Serbia amin'izao fotoana sady mpitarika ny Antoko Demokratika, izay nahazo 35,42 isan-jato.

Fampidirana anatin'ny Tolon'ny Bilaogy Somaliana

Fehiny voalohany amin'ny bilaogy Somaliana ity, sampana kely anatin'ny tontolon'ny bilaogy Afrikana kanefa mitombo hatrany. Araka ny mety efa ho nampoizina dia tanora ny ankamaroan'ireo bilaogera Somaliana, mipetraka ivelan'i Somalia ary manoratra amin'ny teny Anglisy.

Serbia: Misafidy, na i Tadic na i Nikolic

Bilaogera Serba maro no manohana an'i Tadic sy ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Serbia sy ny Firaisambe Eoropeana, ary manohitra ny politika nasionalistan'i Nikolic. Ny sasany kosa anefa diso fanantenana amin'ny politikan'i Tadic nandritra ny fitondrany teo aloha ary mino fa nampahery ireo radikaly izany.

Mpanoratra asongadina : Maryna Reshetnyak

Amin'ny maha-toniandahatsoratry ny fahasalamana ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny Rosiana azy dia nandany ny ankamaroan'ny fotoanany nitantarana ny tetikasa notohanan'ny Rising Voices ao Kiev, The Drop-In Center. i Maryna Reshetnyak.

Niteraka Onjam-baovao Tsy Marim-pototra Maro Ny Fitsoahan'Ilay Lehilahy Makedoniana Nanana Ny Maha Izy Azy Nankany Hongria

Raha ny resaka mandeha any amin'ny tontolon'ny filazambaovao ao Balkàna no hinoana, nitsoaka taminà sidina an'ilay zotram-piaramanidina iray izay efa nikatona ny taona 2012 i Nikola Grueski .

Zeorzia/Rosia: Mamahana Mpandroba Sy Mpitsoaponenana

Ry Zeorziana, ampy izay ny ady fanapariahambaovao. Tsiriho avy eny am-baravarankely, hita eto ireo sekoly garabola sy ireo sekoly hipoka mpitsoaponenana. Anatero izay mba azonareo omena izy ireo, ary avy eo mandehana any amin'ny masoivohon'i Rosia. [...] 

Manao fihetsiketsehana ho amin'ny fahalalahan'ny oniversite ny mpianatra taorian'ny fandroahana ny Oniversite Eoropeana Afovoany ao Hongria

Nibodo ny kianja teo anoloan'ny Parlemanta ireo mpianatra voakasiky ny fandroahana ny oniversiteny mba hiaro ny fahalalahana akademika ao Hongria.