· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2018

Ry GV, ny vaovaon'ny iSummit

  18 Oktobra 2018

Ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices, Renata Avila, dia nandefa ity karatra paositaly bilaogy ity avy amin'ny iSummit tany Kroasia, izay nampifandray ny vondrom-piarahamonina manerantany, miara-miasa mba hananganana ny vondrom-piarahamonin'ny fahafahana - mba hamoronana, mba ho ampiasana , mba hizarana."

Okraina: Fampihenana ny Vokadratsy sy Fampiharana ny Lalàna, Fizaràna Faha-2

  17 Oktobra 2018

Tamin'ny Oktobra farany 2008, nanoratra mikasika ny fiezahany hampianatra vondrona manampahefana tao amin'ny polisy ao Kyiv momba ny fandaharanasa mikasika ny fampihenana ny vokadratsy ny Okrainiana iray blaogera. Na toa tsy dia liana aza tamin'ity fomba fijery mbola-tsy-malaza mikasika ny fandraisana an-tànana ny zava-mahadomelina ity na tamin'ny fahazoany kapaoty maimaim-poana avy tamin'ireo mpikatroka aza ireo polisy nihaino ilay famelabelaran-kevitra, raha tarafina amin''ity lahatsoratra fanarahana (teny Rosiàna) nosoratan'i mazay ity, nisy vokany tsara ihany ilay resaka nony farany.

Rosia: “Ny diabe, karazana..”

  15 Oktobra 2018

Tokony hanao fihetsiketseham-panoherana tamin'ny 6 May tao Moskoa ny mpanohitra Rosiana, ny hariva ny fanokanana an'i Dmitry Medvedev ho solon'ny filoha Vladimir Putin, saingy tsy nanome alalana izany ny manampahefana ao an-tanàna - ka nofoanan'ny fikambanamben'ny mpanohitra, Other Russia ny Diaben'ny Mpanohitra tamin'ny minitra farany.