Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Febroary, 2018

20 Febroary 2018

Macedonia: Sakura – Cherry Blossom Celebration in Skopje …………Makedonia: Sakura – Firavoravoana Fa Vaky Felana Ny Serizy

Na dia vitsy aza ireo Japoney miaina ao amin'ny Repoblikan'i Makedonia, maro ireo mponina ao an-toerana no nandray anjara tamin'ny fety faharoa fankalazana ny Sakura isan-taona - fety natokana ho an'ireo voninkazon'ny serizy ao Skopje, renivohitr'i Makedonia. Nampidirin'ireo mpikarakara ny fety ireo dojos fanaovana fanatanjahantena haiady, ary vao haingana ireo...

13 Febroary 2018

Maninona No Hiandry? Voatondron'ny FWikipedia sy Google Tsy Nahy ho Mpandresy ny Fifidianana Filoham-Pirenena Amin'ny Volana Martsa 2018 i Poutine.

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Tsy hay na natao ho toy ny hanihany ilay hadisoana, na toy ny hetsika ara-politika.

Inona No Novakian'ireo Mpamaky Global Voices Hatramin'ny Herinandro Lasa ?

Tamin'ny herinandron'ny 5-11 Febroary 2018 nahasarika mpamaky ny Global Voices avy any amin'ny firenena 195 ireo tantara sy lahatsoratra nadika !

09 Febroary 2018

Nosarahan'ny fandrendreham-bahoaka, Miomana Amin'ny Fifidianana Filoham-pirenena Fihodinana Faharoa ny Fiaraha-monina Tsheky

Niteraka adihevitra mafana teo amin'ny olom-pirenena na antserasera na andavanandro ny fifidianana. Amin'ny maha-repoblika parlemantera, dia voafetra tanteraka ny fahefana mpanatanteraky ny filoha, nefa efa mampisara-bazana ny firenena ilay fifidianana.

03 Febroary 2018

Okraina: Fialofan'ny Biby

Ny 19 Aogositra 2007, nandeha nitsidika toerana iray fialofan'ny biby ny mpanao gazety Okraniana Tanya Kremen, tanàna kely iray miorina ao ivelan'ny Hostomel Toy izao ireo heviny sy ireo eritreriny, izay nalefany tamin'ny blaoginy tao amin'ny Korrespondent.ne

01 Febroary 2018

Fantaro Ilay Mpanoratra : Marietta Le

Nanatevin-daharana ny Global Voices i Marietta rehefa avy nanatrika ny Vovonana Global Voices 2008 tany Budapest raha nanangom-baovao momba ilay hetsika izy amin'ny maha mpanao gazety azy ho an'ny gazety iray ao an-toerana. Tian'i Marietta ny fomba fampiasan'ny Global Voices ny teknolojia mba handrisihana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo vondrom-piarahamonina samihafa.

Fantaro Ilay Toniandahatsoratra : Veronica Khokhlova

Toniandahatsoratra tato amin'ny Global Voices Eoropa Afovoany sy Atsinanana i Veronica Khokhlova  nanomboka tamin'ny volana Janoary 2006 rehefa namoaka ny lahatsoratra voalohany mitondra ny lohateny hoe " Fampidirana ny Tontolon'ny Bilaogy Okrainiana " izy.

Niezaka Nanafina Ny fanaony Mihaino Resaka An-tariby Ny Fitondrana Makedoniana Teo Aloha

GV Mpisolovava

Tamin'ny 19 desambra 2017 tao an-drenivohitr'i Skopje, nanambara fanadihadiana vaovao mifandraika amin'ny tantara momba ny fihainoana resaka an-tariby tamin'ny taona 2015 izay nanongotra ny governemanta mpandrendri-bahoaka nitondra an'i Makedonia nanomboka ny taona 2006 ka hatramin'ny 2017 ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna Manokana (SPO) .