Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2017
Romania: Mihira Ny Noely
"Fahatsiarovana avy any Romania: Tamin'ny andro farany nijanonako tao [ Onesti ], maro tamin'ireo mpianatra no tonga tao amin'ny" Cancelarie "(efitranon'ny mpiasa) mba hihira ireo hiran'ny noely ho an'ny mpampianatra. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe efa niomana ny hanao izany izy ireo, tena fahatsiarovana mahafinaritra tsy hay hadinoina :) "- avy amin'ny L-plate big cheese
Antoko Alemàna Manohitra Ny Fifindràmonina, Mikendry Ireo Rosiana-Alemàna Mpifidy Aminà Dokambarotra Mankajala Vahiny
Voatsikera be ilay fampielezankevitra. Vehivavy Alemàna iray nanoratra hoe, "...satria aho miady mafy ho an'ny firenentsika, Mieritreritra ny hitory anao sy ny 'antokonao' aho noho ny fihantsiana fankahalana foko..."
Rosia: Madonna Sy Ny Fiangonana
Hanao fampisehoana ao Moskoa i Madonna ny 11 septambra, 2006 ary efa namoaka fanambarana manakiana ny fampisehoana sahady ny Solontenan'ny Kristiana Ortodoksa sy ny Solontenan'ny Miozolomana .
Okraina: Mitady Fanampiana Avy Amin'ny Ben'ny Tanàna (Tetikasa Maidan)
Ity fikasana tsy nisy fanantenana nataon'ny mponina mba hisarihana ny sain'i Leonid Chernovetsky, ny ben'ny tanàna vaovao ao an-drenivohitr'i Okraina, ny amin'ny rafitry ny tranobe ity dia nalain'ny Tetikasa Vaovao ho an'ny Demokrasia Maidan Iraisam-pirenena sary.......
Ao Amin'ny Telegram, Mivadika Ho Vola Ny Politika Rosiana Sy Ny “Memes”
Iray amin'ireo fantsona malaza indrindra ao amin'ny Telegram no nibahana ny lohateny vaventy teny anatin'reo gazety Rosiana tamin'ny Septambra 2017 rehefa namidy 5,5 tapitrisa robla (US$95,000).
Fitsinjaram-Paritra Rosiana Nalainy Taorian'ny Nibitsihan'ny Gazety Shinoa Iray Ny Sarin'ny Faritra Lavitra ao Altay
Tsy tapaka ny mibitsika sary fampahafantarana avy amin'ireo faritra samihafa ny "China Daily", saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia niteraka zavatra tsy nampoizina avy amin-dry zareo Rosiana mpampiasa Twitter izany, izay nihevitra fa lazain'i Shina ho azy ireo ampahan-tanin'i Rosia.
Bosnia Sy Herzegovina: Mamahana Bilaogin-tsary An’ I Sarajevo
Teraka tao Sarajevo, niaina ady tao Sarajevo, mipetraka ao Sarajevo. Misotro ronono ankehitriny. Nividy Canon A75 tamin'ny volana Janoary ary nahita ny fitiavana maka sary.......