Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Jona, 2017
Manondrotra ny Fangaraharàna ao Eoropa Afovoany sy Atsinanana
Any Eoropa Afovoany sy Atsinanana, mampiasa ny teknolojia vaovao ireo tetikasa maro mba hanatsaràna ny fangaraharan'ny fitantanana, saingy tsy manome antoka fa hahita masoandro ny fanovàna izay tohanan'izy ireo noho ny tsy fahampian'ny finiavana politika.
Ny Rariny Ho an'ireo ’Tetikasa Rehetra Mikendry Ny Fanovana Ara-pitsarana Sy Ny Fitsaharan'ny Kolikoly Lehibe Ao Bolgaria
Hetsi-panoherana maro no natao manerana an'i Bolgaria tamin'ny 23 May sy ny 30 May mba handrisihana ny fanavaozana ao amin'ny fitsarana. Notarihin'ny 'Rariny ho amin'ny Fisantarana Andraikitra Rehetra', anisan'ny hetsika midadasiky ny olom-pirenena mitaky ny fampiharana ny fitsipika demaokratika napetraky ny Vondrona Eoropeana (EU) ny hetsi-panoherana.
‘Iza no Manana Sarintena “Selfie” Be Indrindra?’ Sambany Nihaona Tao Amin'ny Parlemanta Rosiana Ny Filankevitr'ireo Bilaogera

"Manana [sarintena] maherin'ny iray alina aho," hoy i Zhirinovsky nivazivazy. "Iza no manana betsaka noho izaho? Tsy misy!"
Nahazo Vola Ohatrinona Tamin'ny Krizin'ny Mpitsoaponenana 2015-2016 Ny Mpitatitra An-Dalamby Makedoniana?
"Nisy fotoan'andro nahitàna olona maherin'ny 10.000 niampita ny sisintany, ary tsy maintsy mividy tapakila ny tsirairay (ankoatry ny ankizy madinika)... Ankehitriny ry zareo te-hitokona satria hoe tsy mandray karama. Nankaiza ny vola, r'ilay mpangalatra t*y ireto?!"
Mihevitra ny Hamerina ny Fihetsiketsehana Goavana Tamin'ny Herintaona Noho ny Fanovàna ny Fanabeazana, Ireo Kroaty
"Na iza na iza mihevitra mihoatra noho ny efa-taona dia mahafantatra tsara fa tsy maha faty antoka ny mampiasa vola amin'ny fampianarana."
Mandoto Rindrina ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna Mialoha ny Hetsi-panoherana Kinasa Mandritra ny Fetim-pirenena Rosiana ny Mpijirika

Ny alina mialoha ny hetsi-panoherana miady amin'ny kolikoly manerana ny firenena , niditra an-tsokosoko tao amin'ny tranonkalan'ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna ao amin'ny faritra Yaroslavl ny mpisovoka ary nandefa hafatra.
Fahasamihafàna, Voasakana: Simban'ny Ady Masina Amin'ny Pelaka Ny Endrika Fandeferan'i Okraina

Koa satria miditra amin'ny herinandro farany ny Fifaninanan-Kira Eurovision amin'ity taona ity, nisy andohalambo miendrika avana miloko amin'ny ampahany natao ho fanamarihana ny teny fanevan'ilay hetsika, "Ankalazao ny Fahasamihafàna", nanidintsidina toa mampatahotra teny ambonin'ny afovoan-tanànan'i Kiev.
Namoaka Ny Fanisanandron'ny ‘Fanamelohana Ho Faty’ Ny Sampandraharahan'ny Fonja Federaly Ao Rosia

Manasongadina ny fomba fitantanana ny fanamelohana ho faty samihafa isam-bolana ny fanisanandro mitondra ny lohateny hoe "Ny Fomba Ambony Indrindra amin'ny Fitsarana Ara-tsosialy".
Mety Hanafoana Ny Lalànan'ny Lisitry Ny Bilaogera Tsy Nahomby I Rosia

Nampiditra lalàna manafoana ilay antsoina hoe ny "Lisitry ny Bilaogera" izay noforonina tamin'ny taona 2014, mikasika ireo bilaogera malaza miaraka amin'ny lalàna manokana ny mpanao lalàna Rosiana ao amin'ny Duma.
Nanomboka Taminà Sariitatra ny Tantaram-Pitiavana LEGO tao Hongria
Mihetsiketseha, Lahatsary Lego. Malaza ara-bakiteny ireny lahatsary fohy ireny