Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Mey, 2017
Manasazy Ny VKontakte Sy Ireo Tranonkalan'ny Media Sosialy Rosiana Hafa I Okraina

Nanao sonia ny didy mangataka ny mpanome tolotra aterineto mba hanakana ny tranonkalan'ny media sosialy Rosiana lehibe maro ao amin'ny firenena ny filoha Okrainiana Petro Poroshenko.
Toa Manana Fenitra Ambony Arak'asa Kokoa Ny Tanora Slaovaky Raha Oharina Amimn'ireo Taranaka Taloha. Tsara sa Ratsy Izany?
"..Tsy hoe fahakamoana izany, fa momba ny fahamendrehana maha-olombelona raha tsy mahavita ireo filàna fototra ny karama"
Ny Fampahalalam-baovao Rosiana: Tompon-dakan'ny Fahalalahan'ny Aterineto (Manomboka Izao)

Amin'ireo Okrainiana an-tapitrisany ankehitriny izay mety ho tafala amin'ny tolotra antserasera ankafizin'izy ireo, nanao ny zavatra fanaony amin'ny toe-draharaha ara-jeografia-politika tsy nampoizina ny fampahalalam-baovao mahazatra ao Rosia, niova fijery tampoka izy,
Lahatsary Fanadihadiana Vaovao Momba ny Famonoana ilay Mpanao Gazety Mpanohitra Tao Kyiv Nanasarotra ny Fanadihadian'ny Polisy
Mampametram-panontaniana amin'ny anjara asan'ny manampahefana ao Okraina amin'ny raharaha vono olona mihitsoka miresaka ilay mpanao gazety mpanohitra izay novonoina tao Kyiv tamin'ny fotoam-pahavaratra farany teo ny tatitra fanadihadiana vaovao iray.
Iza No Mandoa Vola Hanaovana Sary-Sy-Soratra Mamely An'i Alexei Navalny?

Tamin'ny 5 Mey, nanomboka nahazo tolotra andoavam-bola amin'ny alalan'ny fandefasana sary-sy-soratra (meme) mitsikera ny lehiben'y mpanohitra sady bilaogera ara-politika Alexei Navalny ireo mpitantana vondrona marobe ao amin'ny tranonkala media sosialy Rosiana Vkontakte
Maneho Hevitra Ilay Mpanao Gazety Rosiana Tompon'andraikitra Tamin'ny Sarin'i Trump-Lavrov Nampiadihevitra

Miampanga ny governemanta Amerikana sy ny fampahalalam-baovao Amerikana ho "taitaitra loatra" i Alexandr Scherbak, mpaka sary fanao an,-gazety ao amin'ny TASS, ilay lehilahy naka ny sary mampiadihevitra tamin'ny Zoma tao amin'ny Birao Boribory lavalava.
Nilaza Ireo Mpanohana An'i Navalny Fa Ireo Hiringiriny Tohanan'ny Fanjakana no Nanafika An'i Nalvany

Nanaporofo ny lehiben'ny mpanohitra, Alexey Navalny fa ilaina ny manana tanora mpanohana an-tapitrisany ao Rosia, izay mpiserasera aterineto mavitrika.
Manasoketa Ilay Mpitarika Ny Mpanohitra Ao Amin'ny Lahatsary Fandihizana Rap Mikaviavia Ireo Rosiana Misotro Ronono

Novokarin'ny fikambanana mpikatroka avy any amin'ny sisiny ao Krasnodar antsoina hoe "Fitsarana Sosialy" ny lahatsary.
Nyetflix Sy Ny Dill: Nosoniavin'i Potinina ny Lalàna Mifehy ny Tolotra Fandefasana Sarimihetsika Vahiny An-tserasera Mivantana

Mitovy kokoa amin'ny Netflix sy ny chill ny Nyetflix sy ny dill ao Rosia rehefa nanasonia ho lalàna ny volavolan-dalàna izay mametra ny fidiran'ny mpamatsy tolotra fandefasana horonantsary mivantana vahiny amin'ny tsenan'ny Rosiana i Vladimir Potinina .
WeChat? Tsy Ao Rosia.

Nakaton'ny mpanao fanampenam-bava federaly ao Rosia ny WeChat, fampiharana fandefasan-kafatra amin'ny finday lehibe indrindra avy ao Shina. Araka ny filazan'ny Roskomnadzor, tsy nahavita nisoratra anarana tao amin'ny governemanta federaly ho "mpandrindra ny fanapariahana vaovao" ny WeChat.