Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2017

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Marsa, 2017

Misaona an'i Lazarova, Mpihira Nentin-drazana, Izay Nanome Aingam-panahy Ho An'ny Mpikatroka ny Nanjò Azy, ny Makedoniana

Nanjary tantaran'ny fikatrohana nomeraka tao Makedonia i Vanja Lazarova, izay namoy ny ainy tamin'ny Alahady 12 Marsa tao Skopje teo amin'ny faha-86 taonany.

Rosia : Miverina Ny Tahotra Eo Amin'ny Sehatra Politika, Mihevitra Ny Ho Voafidy Indray i Putine Amin'ny 2018

Lahatsary mahavariana marobe maneho firenena iray very ka manery mafy an'i Vladmir Putin mba hamerina fe-potoam-piasana iray no andrasana miaraka amin'ny fifidianana filoham-pirenena rosiana manaraka, amin'ny taona ho avy.

Nyango Star, Ilay Endrika Famantarana Miendrika Paoma Mively Ampongamaroanaka Hanavotana ny Faritr'i Tohoku Ao Japana

"Isaky ny miseho vahoaka i Nyango Star dia hanampiana an'i Tohoku amin'ny fanasitranana azy izy izay [famerenana amn'ny laoniny ny faritra]. Tsy mively ampongamaroanaka ho amin'ny tombontsoany manokana ilay endrika famantarana, fa hanavotany ny tanindrazany malalany ."

Dokambarotra Fiokoana Anaty Akata any amin'ny Metro no Ankalazan'ny Sosialista Rosiana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy

Nampiasa ny dokambarotra fiokoana anaty akata ny vondrona mpikatroka sosialista ao Saint Petersburg mba hanehoana amin'ny tanàndehibe ny fomba hafa hamantarana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy.

Miarahaba Anareo Nahatratra Ny Andro Iraisampirenena Ho An'ny Vehivavy Izahay Goverinoran'ny Federasiona Rosiana

"Araka ny loharanom-baovao ao Kremlin, avy any amin'ny faratampony ny baiko: hankalaza ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy "amin'ny fomba hafakely" ireo governora Rosiana."

Roa Taona Aty Aoriana, Manoratra Taratasy Ho An'ny Rainy ny Zanaka Vavin'ilay Mpitarika ny Fanoherana Rosiana Nisy Namono

Tamin'ny tsingerintaona faharoan'ny namonoan'ny sasany ilay mpitarika ny fanoherana Rosiana, Boris Nemtsov, navoakan'i Zhanna Nemtsova tao amin'ny Facebook ny taratasy iray nosoratany ho an'ny rainy.

911 Ho an'i Donbass: Fantaro ilay Fampiharana Hanampy ny Okrainiana Hahalala ny Fivoaran'ny Fanafihana Miaramila

Anaty segondra vitsy ny "Active Citizen" dia ho afaka hampahafantatra ireo mpampiasa azy ny fisianà fanafihana miaramila sy, antenain'ireo mpamorona azy hampihena ny fahafatesan'ireo sivily any amin'ireo faritra rotiky ny ady any atsinanan'i Okraina

Hanao Lisitra Mainty Ireo Tranonkala ‘Manimba Ny Fiandrianany i Okraina

Mikendry ny hanoherana ny fipariahan'ny vaovaon'ny mpomba ny mpisintaka sy ny mpomba ny Rosiana ny lisitra, toy ny Tetikady Fiarovan-torohay vaovao ao Okraina.

Mametraka Fangatahana Hamindràna Fonja Ilay Rosiana Gadra Politika, Ildar Dadin

"Tsy misy fonja akaikin'i Maosko mihitsy ve?" Manontany ny Sampan'ny Fonjam-panjakan'i Rosia ny vadin'i Dadin.