Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Janoary, 2017
Nolazain'ilay Tranonkala Namoaka azy Hoe Faikany ny ‘ Bilaogy Yanukovych ’
Nofafàn'ireo toniandahatsoratra, roa herinandro latsaka kely taorian'ny nivoahany voalohany tamin'ny tranonkalam-baovao Korrespondent, ny bilaogy iray lazaina fa ny filoha teo aloha tao Okraina, Viktor Yanukovych, no manoratra azy.
Ireo Mpanjonon'ny Filoha: Iza ireo Mitsangana Aorian'i Vladimir Putin?
Nahoana i Putin no mihaona imbetsaka amin'ireo mpanjono avy ao Novgorod? Tena mpanjono tokoa ve izy ireo?
Fahatsiarovana Ny Tsingerintaona Nahaterahan'i David Bowie Sy Ny ‘Diany Manatantara’ Tao Varsovia
Nomarihan'ny ny gazetiboky an-tserasera iray natokana hanandratana ny kolontsaina Poloney Culture.pl tamin'ny alàlan'ny fampahatsiahivana ny fitsidihany an'i Varsovia ny tsingerintaona nahaterahan'i David Bowie.
Famonoana Ilay Ambasadaoro Rosiana Tao Torkia: Bala Avy Any Aleppo Ve?
Nanipy baolina tsy fahita firy mikasika ny fandraisan'anjaran'ny fireneny amin'ny ady ao Syria ilay Rosiana mpanao politika mpanohitra .
Asongadin'ny Fanafihana ny ONG Iray Miady Ho An'ny Zon'ny Mpiasan'ny Orinasa Makedoniana Mpanao Lamba Ny Loza Mananontanona ny Fiarahamonina Sivily
Ny fanafihana ny tranon'ny ONG iray izay manohana ny zon'ireo piasa amin'ny orinasan-damba, dia nampihena ny ezaka hanatsarana ny fepetra mahatsiravin'ny asa any amin'ireo orinasan-damba any Makedonia.
Vehivavy Syriana Misaotra Ny Tafika Rosiana Amin'ny Kalandrie Vaovao Manaitaitra Novatsian'i Kremlin
Noho ny fanampian'i Kremlin, dia nivoaka ny kalandrie raitra mampiseho sarinà vehivavy syriana am-polony tsara tarehy, ahitàna andian-teny sahisahy izay midera ny fanelanelanana ara-tafika nataon'i Maosko tany Afovoany Atsinanana.
Tao Anatin'ny Fotoana Voafetra, Nahazo Fahafahana Miditra Malalaka Tamin'ny Tranomboky Nomerika Ahitana Boky 100 000 Ny Kroaty
Tsy any Kroasia? Ny fampiasa Croatia Reads koa dia manolotra boky maimaim-poana ho an'ireo olona any ivelan'ny firenena Kroaty.
Fanambaràna Momba Ny Haren'ireo Serba Mpanao Politika
Nahatonga adihevitra namaivay tamin'ny aterineto sy ny haino aman-jery mahazatra ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny KRIK, tambajotran'ireo mpanao gazety mpanao fanadihadiana .
Tatitry Ny Mpiserasera: Nahatratra Haavo Vaovao Ny Fandrahonana Ny Fiarahamonim-pirenena Any Makedonia, Ejipta
Manome topimaso iraisam-pirenena amin'ireo fanamby, fandresena, ary fironana vaovao eo amin'ny zon'ny aterineto manerana izao tontolo izao ny tatitry ny mpisera ao amin'ny Global Voices Advocacy
Rosiana Mpanao Gazety Voaroaka Noho Ny Nitaterany Tetikasan-Javakanto Ho An'ny Ankizy Niafara Tany Am-panariana Fako
Raha tsy ampy hanongotra anao amin'ny kiakiaky ny fialantsasatrao ny tatitra momba ny ankizy nahita ireo firavaka namboariny teny amin'ny fanariana fako, niady mba tsy handrotsa-dranomaso rehefa niezaka nametraka sy naka indray ireo zavakantony, dia angamba ity antsipirihany manaraka ity no hanao izany ...