Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Desambra, 2016
“Resaka” Naharitra Ampolony Taona Teo Amin'ireo Mpiangaly Rock Yogoslavy sy ny Poloney
Na dia tsy matetika loatra aza ny fifamatorana ara-kolontsaina eo amin'ny firenena niteraka an'i Yogoslavia sy Polonina, misy ny endri-pifandraisana iray miavaka. Nandritra ny efapolo taona farany, namorona tetezana manokana nampifanakaiky ny olona ao amin'ireo firenena ireo ny mozika rock.
Niova Hevitra Momba Ny Fanerena Ny Google Ny Mpandrindra Ny Fampahalalam-baovao Rosiana
Ora maro taorian'ny nitateran'ny fampahalalam-baovao fa namoaka toromarika ny sampan-draharaham-panjakana mpandrindra ny fampahalalam-baovao, Roskomnadzor, hanerena ny Google hisoratra anarana indray ao Rosia na ho voasazy, dia niova hevitra ny solontenan'ny sampan-draharaha, nilaza tamin'ny roem.ru fa nandiso vaovao ny Izvestiya, gazety namoaka ny vaovao.
Manamafy Ny Fanereny An'I Google I Rosia
Namoaka toromarika manery ny Google mba hanova ny fisoratany anarana hatramin'ny faran'ny volana Martsa ny Roskomnadzor, sampan-draharaha mifehy ny fampitam-baovao Rosiana.
Karazam-Pihetseham-po Manoloana ny Teatira Vaovao Ao Podil, Kyev
Nankasitraka sy nihorakoraka tamin'ny fampisehoana ny "Trano fanaovana fampisehoana tantara an-tsehatra" ao amin'ny iray amin'ireo arabe tranainy indrindra ao an-tanandehibe ireo mponina ao Kyev.
Amerikàna iray Mpivezivezy, Manameloka ny Fombafomban'ny Fadin-tseranana Makedoniana Amin'ny Fanovana Kolikoly Taoriana ‘Sedra niainany’ Teny Amin'ny Sisintany
Nampakatra lahatsary izay i Ray nilazàny fa nalain'ny manampahefana taminy ny drôna -- tsy hoe nanao zavatra ratsy izy, fa satria te-hivarotra izany ho an'ny tombontsoany fotsiny ry zareo.
Manamafy Ny Fotodrafitrasany Amin'ny Teknolojia i Rosia, Manapaka Ny Fifandraisana Miaraka Amin'ireo Orinasa Amerikana
Satria mihamafy ny ahiahy momba ny mahatafiditra an'i Kremlin amin'ireo fanafihana amin'ny Aterineto atao amin'ny Tandrefana, ataon'i Maosko lasibatra ny Microsoft, Oracle ary IBM. Ho endrika fanehoana ve ireo ezaka ireo sa tetikady?
Miverina ao amin'ny Fahitalavitra Rosiana ny Fanalàna Ara-politika, Tsy Nombàna na iza na Iza
Zavatra ahitan-doza any Rosia ny fandrabirabiana ara-politika, raha toa ka efa maherin'ny am-polo taonany izay no nisehoan'ny fandrabirabiana farany tsy misy fiafarany natao tao amin'ny fandaharana fahitalavitra.