Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2016

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Novambra, 2016

Hasambarana Tao Amin'ny Twitter Ho An'ity Rosiana Lehiben'ny Fampielezankevitra Ity Ny Nataon'ireo Mpanohana An'i Trump

Raha mbola fanina tanteraka tamin'ny fitsimbadihana nampivanàka vitan'i Donald Trump tao anatin'ny hazakazaka ho filohan'i Etazonia izao tontolo izao, ry zareo Rosiana kosa mijery an'i Amerika miaraka amin'ny fiverenan'ny fitokiana indray hoe namokatra ihany nony farany ny tolona natao nandritry ny taona marobe niadiana tamin'ny ampihimamban'ny media liberalin'ny Tandrefana .

Mankalaza Ny Fandresen'i Trump Ny Nasionalista Sy Ny Mpandrendri-Bahoaka Any Serbia Sy Makedonia

Nampientanentana fatratra ireo politisiana elatra havanana sy ireo mpikambana ao aminy any amin'ny firenena Balkan maro ny fandresen'i Donald Trump tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tany Etazonia, indrindra noho ny tsy fitiavana an-dry Clinton.

Mampiseho Fizarazaran'ny Mponina sy ny Tsy Fahaizana Manoratra sy Mamaky Teny ny Fanisam-bahoaka ao Bosnia sy Herzegovina

Mampiseho ny valin'ny fanisam-bahoaka voalohany tao Bosnia sy Herzegovina (BiH) fa nampiditra lalina ny fahasamihafana ara-poko sy ara-pivavahana ny politika nasionalista naharitra ampolony taona, manamafy ny "tombontsoa" amin'ny fanadiovana ara-poko tamin'ny adin'ny taona 1990s.

Tokony Tsy Hanafina Ny Tsy Fahazoany Fahafinaretana Mandritra Ny Firaisana Ara-nofo Ny Vehivavy Hoy Ilay Rosiana ‘Mpiaro Ny Ara-nofo’

Natsangana tamin'ny tenirohy #честныйоргазм ( "#OrgasmaMadio"), ny fanentanana vaovao natombok'i Elena Rydkina "mpiaro ny ara-nofo" mandrisika ny vehivavy mba hizara ny tantaram-piainan'izy ireo momba ny fotoana mody nahatongavan'ny tampom-pahafinaretana hanomezana fahafaham-po ny sakaizany tsy nahavita nanome fahafinaretana azy ireo noho ny tsirambina na tsy firaharahiana.

Liana Kokoa Amin'ny Mpisolovavan'i Melania Trump Ao An-toerana Ireo Slovenina Noho Ny Momba Ny Tantarany

Nitory olona maro noho ny fanalam-baraka i Melania Trump vao haingana , ary nanaitra ny tontolo liberaly ny nisafidianany an'ilay mpisolovava Slovenina iray tao an-toerana.

Monténégro : Vao Maika Niteraka Fanontaniana Bebe Kokoa Fa Tsy Valiny Ny Fifidianana Solombavambahoaka Farany Teo

69 isanjaton'ny Monténégrins no tsy mankasitraka ny zavabitan'ny governemanta eo amin'ny fitantanana ny toekarena, raha tsy matoky ny governemanta sy ny parlemanta kosa ny 50 isanjaton'izy ireo.

Tonga Ny Ririnina: Miomana Hiatrika ny Vanim-potoanan'ny Zavon-Tsetroka Indray I Balkans

Miomana hiatrika ny ririnina ireo mponina ao Balkans , vanim-potoana izay ahitana rivotra maloto hatraiza hatraiza lasa hita maso sy vao maika azo tsapain-tanàna.

Mihalalina Ny Krizy Ara-toekarena, Nivarina Avy Amin'ny Vodka Nakany Amin'ny Labiera Sy Toaka Tsy Ara-dalàna Ireo Rosiana

Nahatonga ireo mpisotro toaka maro niala tamin'ny vodka nankany amin'ny labiera ny krizy ara-toekarena ao Rosia, araka ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Gazeta.ru tamin'ny herinandro lasa.

Miandry Anao Ny Farihy Ohrid ao Makedonia

Lavitry ny tabataban'ny renivohitra, ny tanànan'i Ohrid, Striga ary Bitola any atsimon'i Makedonia dia manolotra tantara, kolontsaina, nahandro, zava-mananaina samihafa ary tontolo tena mahavariana.

Rosia : Ahariharin'Ireo Mpikatroka Mafana Fo Amin'ny Aterineto Ny Fiainan'Ilay Lehiben'ny Fonja Manone Baiko Hampijaly Ireo Voafonja

Niresahan'ny RuNet Echo ilay mpikatroka mafana fo Rosiana iray momba ny fanentanana ataony mba hampahafantarana ny olona ny fiainana manokan'ilay mpiasan'ny fonja nampangaina ho nanome baiko hampijaly ireo voafonja.