Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2016

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Mey, 2016

Tsy Ny Faharesena Tamin'ny Eurovision No Tsy Mahafaly ny Rosiana, Fa Efa Tsy faly Talohan'izany Izy Ireo

Tsy ny faharesena tamin'ny isa tery nahazo an'i Rosia tamin'ny fifaninanana mozika 2016 Eurovision tamin'ity faran'ny herinandro ity ihany no fifanolanana tamin'ny fifaninanana feno jiro hazavana, pyroteknika sy fanindrahindram-pirenena.

Noesorin'ny Akademian'ny Zavakanto Sy Siansa Ao Makedonia Ny Filazàna Ny Trosam-panjakana Taorian'ny Fanerena Ara-politika

Resaka iray mahamay ny resaka trosam-panjakana ao Makedonia, iray amin'ireo firenena mahantra indrindra ao Eorôpa .

‘Raha Tsy Misy Ny Rariny, Tsy Misy Filaminana!': Diaben'ireo Makedoniana Manohitra Ny Famelankeloky Ny Filoha Ho An'ireo Mpanao Politika Mandalo Fanadihadiana

Olona maro no naratra ary am-polony no voasambotra tamin'ireo hetsi-panoherana manohitra ny famotsorankeloky ny Filoha Ivanov ho an'ireo lehibe mpanao politika nampangaina ho tafiditra amin'ny fanaovana kolikoly sy fanamparam-pahefana.

Andianà Mpikatroka Miady Amin'ny Kolikoly Voatafika Tao Rosia . Te-hividy Tapakila Handraisana Fiaramanidina ve?

Lohatenim-baovao voalohany ho an'ny media sosialy Rosiana maro androany ny vaovao momba ny fanafihana iray nanjo ireo mpikatroka mafàna fo, ary nohararaotin'ny orinasa mpikarakara fivahinianana, Aviasales, hakàna tombony ilay tantara

Gidragidra Tamin'ny Marathon'i Skopje Ilazàn'ny Mpikatroka Manohitra Ny Tsimatimanota Fa Santionan'ny Herisetran'ny Governemanta Ireny

"Tsy dia nisy fiantraikany lehibe, saingy miharihary fa mihevitra ny fampiasan-kery ho fitaovam-piadiana azo ampiasaina ny fitondrana"

Nomen'ny Fitsarana Rosiana Sazy Roa Taona An-tranomaizina ny Mpisera Media Sosialy Iray Noho Ny Fampitana Votoaty Tao Amin'ny Vkontake

Nanome sazy roa taona sy telo volana an-tranomaizina ho an'i Andrey Bubeyev, mpisera media sosialy ao an-toerana, ny fitsarana ao amin'ny faritra Tver noho ny fiampangana azy ho nampiroborobo ny extremisma sy ny fisintahana tao amin'ny aterineto.

Tranonkalan'Olona Anisan'ny Maharikoriko Indrindra Nahazo ny Fon'ny Olona Ao Rosia

Nahazo hetsika fangoraham-po mamy indrindra teo amin'ny tantaran'ny RuNet ankehitriny ny iray amin'ny maharikoriko indrindra.

Rosia :Mifantoka Amin'ny Fanafihana Manaraka Atao Amin'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-Gazety

Misy olona te-hampisaina mafy ny vahoaka any Rosia fa mivonona ny hivarotra ny anjara fananany anankiroa manan-danja indrindra : ny orinasa mpamokatra angovo Quadra sy ny vondrona mpitrandraka haino aman-jery RBC, ny mpanefoefo iray.

Amporisihan'ireo Manampahaizana Momba Ny Aterineto Rosiana Ny Politikan'ny “Tena Anarana Marina” Amin'ny Fanehoankevitra Amin'ireo Tranonkalam-Baovao

Hetsika vaovao ataon'ireo manampahaizana momba ny aterineto mpiara-dia amin'ny Kremlin ny fikatsahana hanaovana ireo fanehoankevitra tsy misy anarana amin'ny haba-tranonkalan'ny haino aman-jery ety anaty aterineto ho tantara fahiny.

Miady Amin'ny Tahotra Sy Ny Famoizam-po Migadra An-Trano Manokana Ao Makedonia

Notanana tamin'ny trano ambenana manokana ao Makedonia ilay tovolahy mpianatra lalàna 19 taona, nanazava ny antony mahatonga ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony tahaka azy leo ireo mpitarika ao amin'ny firenena izy.