Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Desambra, 2014
Kroasia: Zo Ara-Pananahan'ny Vehivavy, Manomboka Ve Ny Fanisàna Ora?
Raha i Kroasia mihevitra ny hivoatra ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeana, ary Sebia mitetika ny hiditra ao amin'ny fianakaviambe Eorôpeana, an-dalam-panavaozana sy fameperana izao ny zo ara-pananahan'ny vehivavy.
Taorian'ny Ady Mitam-piadiana Tao Grozny, Iharam-Panafihana Ireo Mpiaro Zon'Olombelona Ao Chechnya
Iray amin'ireo fikambanana tsy miankina mpiaro zon'olombelona sisa tavela ao amin'ny Repoblika Chechen ilay Vondrona Iraisana Mpanao Fitetezana. Raha toa voatery ilay fikambanana hiala an'i Chechen, ho sarotra be ny fihitaran'ny fahavoazana ho an'ny mponina ao an-toerana.
Mety Hitsingidina Ny Robla, Fa Hanidina Ireo Sary Rosiana Mahatsikaiky
Ao anatin'ny tebiteby misonga mikasika ny vola sy ny toekarena ao Rosia, nanangona ireo ohatra maro isan'ny malaza sy mahatsikaiky amin'ireo "sary mahatsikaikin'ny robla" tao amin'ny Twitter Rosiana ny RuNet Echo.
Lazain'ireo Rosiana Mpampanoa Lalàna Ho Kabarim-Pankahalàna Ny Fihetsik'Ilay Lehilahy Nanohitra Ny Mpandrava Korontana Ara-Poko
Mijoro ho voampanga noho ny "fiantsoana hetsika feno fankahalàna atao aminà vondrona iray i Sankov, voafaritra ao amin'ny teny famaritana manokana ny firenena, ny fiteny, ny fiaviana, na ny faritany". Raha voaheloka izy dia mety hifonja hatramin'ny dimy taona.
Manisa Ny Maty i Rosia Rehefa Midaroka Baomba an'i Grozny ny Mpitolona
Farafahakeliny dimy ny manamboninahitra maty, misy fiara nipoaka mirehitra tsikelikely ao afovoan-tanàna, ary ao anaty afo sy tratran'ny fahirano ny "Lapan'ny Gazety" ao Grozny.
“Minisitra Vaovao Ao Okraina Hisahana Ny Fahamarinana” Nalàm-baraka Tao Amin'ny Tambajotra Sosialy
Nampivanàka ireo Okrainiana rehetra mihitsy ny namoronana teo anivon'ny governemanta Okrainiana ny Ministera iray vaovao hisahana ny Politikan'ny Fampahalalam-baovao, nahatonga ny sasany hametaka anarana azy ho "Ministeran'ny Fahamarinana."
Sarivongana Nataon'i Rosia Ho an'i Steve Jobs, Nongotana Ho Fanoherana Ny Fanehoankevitr'i Tim Cook, Hatao Lavanty Any Ivelany
Vao maraina androany dia nambaran'ny tompony fa hataony lavanty ny sarivongan'i Jobs, ho lasan'izay manome toky fa hitondra azy hivoaka an'i Rosia. 5 tapitrisa robla (eo amin'ny $95,000) ny lazam-bidy iaingàna.