Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2010
Rosia: Tanàna sy vohitra maro may
Doro ala sy afo be mivaivay no mandripaka manivatsiva an'i Rosia afovoany ; olona an'arivony no alàna amin'ireo faritra voakasika, ary ny mampalahelo dia, misy tatitra mikasika ireo fahafatesan'olona ( miisa 28 farafahakeliny , hatramin'ny androany ). Tamina tranga maro dia tsizarizary ny fandraisana an-tànana ny ezaka famonoana afo, ka nisafidy ny hihetsika amin'ny herin'ny tenany ireo mponina eo an-toerana sy hiaro ireo tanàna sy vohitra manodidina miaraka amin'izay fitaovana mety hananany eo am-pelatanany.
Fifaninanana manao horonantsary: Aterineto ho an'ny Fandriam-pahalemana
Voatodro ho isan'izay handray ny Loka Nobel 2010 ho an'ny Fandriampahalemana ny Aterineto. Ao anatin'ny adihevitra ao amin'ny fanampiana entin'ny aterineto amin'ny fiaraha-monintsika, Condé Nast sy Google Ireland dia niaraka nikarakara ity fifaninanana manao horonantsary ity ary dia hanana tombony hitety toerana sy hahita ireo horonantsariny handeha amin'ny MTV Italiana ny mpandresy.
Georgia (Zeorzia): Ady mangatsiaka, hasambàrana mangatsiaka
Herinandro monja mialoha ny tsingerintaona faharoan'ny ady tselatra teo amin'i Rosia sy Georgia [Zeorzia] hifehezana ny faritra mpisintaka ao Atsimon'i Ossetia, mamily ny fifantohan-tsainy ho any amina ady mangatsiaka iray misy eo amin'ireo firenena roa ireo kosa i Evolutsia, ny ao Abkhazia.