Tantara mikasika ny Moldavia

Moldavia: fakàna an-keriny ireo solosaina manokan'ireo tanora 12 noho ny fandefasana tsikera antserasera

GV Mpisolovava  19 Mey 2019

Tamin'ny 4 Jona 2008, nandidy ny fandraofana ireo ordinatera manokan'ireo tanora 12 izay naneho hevitra mitsikera ny antoko komonistan'ny fitondrana ao amin'ny Repoblika Moldavia tao amin'ny sehatra fifandraisana amin'ny aterineto sy ny vavahadim-baovao toy ny forum.md, torrentsmd.com, desteptarea.info sy ny unimedia.md ny Fitsarana ao amin'ny Distrikan'i Râşcani ao an-drenivohitr'i Kishinev.