Tantara mikasika ny Kroasia
Tamberina Feral Tribune, gazety mpanesoeso malaza ao Kroasia efa nikatona
Fantatra amin'ny tsi-fitongilanana tamin'ny adin'nyBalkana sy Feral Tribune was known for its impartial coverage of war in the Balkans and caricatures that ridiculed the nationalist leaders in former Yugoslavia.
Hazakazaka mampitamberina ny tsiaro sosialista: Nalaza haingana dia haingana an-dahatsary ireo fiara Yogoslavy fahita mahazatra
Ny telo amin'ireo fiara ireo dia novokarin'ny orinasa Yogoslavy antsoina hoe Zastava avy ao Kragujevac, Serbia, izay nifototra tamin'ny maodelim-piaran'ny mpamokatra fiara italiana Fiat.
Lehilahy Kroaty nosamborina noho ny fananganana vondrona Facebook manohitra ny praiminisitra
Nosamborina i Niksa Klecak, Kroaty 22 taona izay namorona vondrona Facebook manohitra ny Praiminisitra " Miloka aho fa hahita olona 5.000 tsy tia ny Praiminisitra" [Ivo Sanader] noho izy voalaza fa mampiroborobo fitaovana vaovao-Nazi. Nanambara ny polisy fa nahita marika sy fampielezan-kevitra Nazi tao an-tranony nefa tsy nisy porofo izany.
Mihantsy Ny Fankahalan'i Makedonia Ireo LGBT Ny Hetsika Fanentanana ‘Olombelona Koa Ireo Mpankahala Pelaka’
Ratsy ny toe-draharaha mikasika ny zon'ny olona LGBT any Makedonia, miaraka amin'ny rafitra tsimatimanota ho an'ireo heloka bevava noho ny fankahalana atao an'ireo vitsy an'isa ara-pananahana ao amin'ny firenena.
Kroasia, Serbia : Sainan'ny fisakaizàna
Mba ho tandindon'ny fampihavanana ny firenena roa tonta dia namorona saina nampitambarana ny an'i Serbia sy Kroatia ny tanora roa avy amin'ireo firenena roa tonta ireo. Marobe ireo Serba sy Kroaty mpisera amin'ny aterineto no naneho hevitra tamin'io vaovao io, ny sasany manameloka, raha ny hafa kosa nankasitraka.
Kroasia: Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Fisamborana An'i Karadžić
Na dia tsy nijaly be loatra noho ireo Bosniaka teo an-tanan'i Radovan Karadžić aza, mizarazara be ny hevitr'ireo Kroaty, na dia afa-po aza tamin'ny fisamborana azy ny ankamaroany ary niandry amim-paharetana ny andro izay hitsaràna azy. Ireto hevitra vitsivitsy avy amin'ny tontolombolongana Kroat
Ny sary hosodokon’ny ambasadaoro Indiana any Kroasia, fanomezana nanaovam-beloma tena nampiady hevitra tao amin’ny fampitam-baovao
Nanao veloma ireo manampahefana tao Kroasia ny ambasadaoro Sandeep Kumar tamin’ny fanolorana fanomezana ny sasany tamin’ireo sary hosodoko nataony nandritra ny telo taona niasany tao amin’ny firenena.
Mametraka “Tsangambato” ho an'ireo Fanafody Fampitoniana Ao Skopje ireo Mpanakanto Tsy Mitonona Anarana
Nisy sary sokitra hafakely nipoitra tao Skopje, renivohitr'i Masedonia, ny 9 martsa: tsangambato ho an'ilay fanafody fampitoniana, Diazepam (fantatra ihany koa amin'ny anarany hoe Valium).
Horonantsary Momba Ny Fikomiana, Mamelona Ny Soatoavin'ny Fanoherana Ny Fasista Tany Montenegro
"Eo am-pizaràna ny tantaran'ny adin'ny olontsotra, dia tianay hampahatsiahivina ny taranaka tanora kokoa ny fomba nahazoantsika ny fisitrahana ny zontsika amin'izao fotoana izao... "
Ry GV, ny vaovaon'ny iSummit
Ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices, Renata Avila, dia nandefa ity karatra paositaly bilaogy ity avy amin'ny iSummit tany Kroasia, izay nampifandray ny vondrom-piarahamonina manerantany, miara-miasa mba hananganana ny vondrom-piarahamonin'ny fahafahana - mba hamoronana, mba ho ampiasana , mba hizarana."