Tantara mikasika ny Bolgaria tamin'ny Novambra, 2019
Mandà ny fangatahan'ny antoko avy any amin'ny farany havanana hanidy ONG mpiaro ny zon'olombelona ny mpampanoa lalàna Bolgariana
Tamin'ny 30 Septambra, nangataka tamin'ny fomba ofisialy ny hanafoanan'ny mpampanoa lalàna ny BHC ny mpikambana roa avy ao amin'ny VMRO-BND noho ny "fitsabatsabahany ny asan'ny fitsaràna" sy ny fanaovany "hetsika manohitra an-karihary an'i Bolgaria."
Manaitra amin'ny fahabetsahan'ny fahazoana angovo avy amin'ny rano ao Balkana ny mpandala tontolo iainana
Mihoatra ny 2700 ireo toerana bitika famokarana angovo avy amin'ny rano izay na kasaina na eo am-panganana ao Makedonia Avaratra, Bosnia- Herzegovina, Serbia, Albania, Montenegro, ary Kroasia amin'izao fotoana izao. Saingy tsy nanao fanombanana araka ny tokony ho izy ny fiantraikan'ireny ny governemanta.