Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2019

Tantara mikasika ny Albania tamin'ny Novambra, 2019

21 no maty ary anjatony ny maratra tamin'ny fihovitrovitry ny tany mahery tao Albania

Farafahakeliny 21 no maty ary mihoatra ny 600 no naratra taorian'ny horohorontany mahatratra ny maridrefy 6,4 nahazo an'i Albania ny marainan'ny talata 26 Novambra 2019. Ny foiben'izany dia tao an-tanàna seranantsambon'i Durrës, tokony ho 32 km avy ao an-drenivohitra Tirana.

Tanora te-hanampy ireo iharan'ny herisetra an-tokantrano ao Albania amin'ny alàlan'ny fampiharana vao noforoniny

Fampiharana iray mampifandray ireo efa sisampatin'ny herisetra an-tokantrano aminà toeram-pialofana, ny polisy ary ireo vondrona mpanohana.

Manaitra amin'ny fahabetsahan'ny fahazoana angovo avy amin'ny rano ao Balkana ny mpandala tontolo iainana

Mihoatra ny 2700 ireo toerana bitika famokarana angovo avy amin'ny rano izay na kasaina na eo am-panganana ao Makedonia Avaratra, Bosnia- Herzegovina, Serbia, Albania, Montenegro, ary Kroasia amin'izao fotoana izao. Saingy tsy nanao fanombanana araka ny tokony ho izy ny fiantraikan'ireny ny governemanta.

Miady amin'ny fahadisoam-panantenana amin'ny alalan'ny vazivazy ny mpisera Twitter avy ao Makedonia Avaratra

Tsy tontosa ny daty hanombohana fifampiraharahana amin'i Albania sy Makedonia Avaratra hidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, noho ny tsy fisian'ny fanohanana avy amin'i Frantsa.