Tantara mikasika ny Vietnam

Tet (Taombaovao) any Viet Nam

  05 Desambra 2018

Fety nentim-paharazana lehibe indrindra ny Tet - Taombaovao manaraka ny fihodin'ny volana any Viet Nam - hajain'ny Vietnamiana rehetra, na dia ireo any ivelany aza. Mbola miezaka ny mividy entana nentim-paharazana toy ny voninkazo, zavamamy ary kobambary miendrika efamira ho an'ity fety manokana ity ny fianakaviana rehetra ao Viet Nam, na manam-bola na tsia.

Vaovao momba ny Fahalalaham-pitenenana 

  20 Novambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny fivoarana farany momba ny fandrahonana ny Fahalalaham-pitenenana nandritra ny herinandro . Miaraka amin'ny Reporters sans frontières Shina: Mpanohitra an-tserasera roa no naraha-maso nandritra ny fitsidihan'ny mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana Nanara-maso an'i Liu Di, tanora mpisera aterineto...

Matsiro sy marikivy

  13 Oktobra 2018

Raha efa nahatratra ny androm-piainanao ny anjara bitro sy atody sôkôlà mahafatifaty, dia ho tianao ity hevitra ity: Paska 2006 - Endrika MeatHenge. Tsy aloha loatra raha manomboka manomana ny taona manaraka, sa tsy izany?

Kambodja: Fahatsiarovana Ny Fanafahana Sa Ny Fananiham-bohitra?

  12 Oktobra 2018

Ny 7 janoary 1979, nesorina teo amin'ny fahefana ny fitondran'ny Khmer Rouge tao Kambodja. Voampanga ho nikotrika ny fandripahana Kambodjiana marobe maherin'ny iray tapitrisa ny fitondrana kaominista. Tamin'ny faran'ny herinandro, nanamarika ny tsingerintaona faha-30 taonan'ny fianjeran'ny Khmers Rouges ny governemanta Kambodjiana (amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra). Saingy nizarazara ny hevitra mba hahalala raha toa io andro io tsy maintsy ho marihana ho toy ny fanafahana na ny an'ny fananiham-bohitra, satria i Vietnam, izay nanampy tamin'ny fanonganana ireo Khmers Rouges, dia nibodo an'i Kambodja hatramin'ny taona 1988.

Azia Atsimo-Atsinanana : Ny fiakaran’ny vidim-bary

  07 Septambra 2018

Nisondrotra maneran-tany ny vidim-bary sy ny entana ilaina andavanandro. Miantraika amin’ny olona an-tapitrisany na koa angamba an’arivony tapitrisa mihitsy aza ny fiakaran’ny vidin-tsakafo. Mampisalasala indray ny politika ara-tsakafo. Nametraka fepetra haingana ny governemanta mba hampitoniana ny ahiahin’ireo mpifidy ao aminy.

Sakafo an-dalambe ao Vietnam

  23 Aogositra 2018

Ahitana fanambarana kely mampikorontan-tsaina ireo mpankafy sakafo Vietnamiana an-dalambe ao anivontany Vietnamiana ao Hoi An ny lahatsoratra bilaogy iray tsy tokony heverina ho tsotra momba ny vary akoho (com ga).

Kambodza : Ny Politikan'ny Vary

  21 Aogositra 2018

[...] vokatry ny fampanofàna tany kambodziana amin'i Vietnam mpifanila vodirindrina aminy mba hahafahany mampitombo ny velarantany fambolena ho an'ny sehatry ny indostriam-pambolena[...] Mampanahy an'i Yeap ny zavamisy sao hivadika ho titra filazana ny maha-tompon'ny tany ireo fifanarahana [...] endrika mampiavaka ny kolontsaina kambodziana ny vary

Fisamboran'i Vietnam mpisolovava sady mpanoratra malaza iray

  21 Jona 2018

Nosamborin'ny polisin'ny minisiteran'ny filaminam-pirenena ao Vietnam noho ny fandraisany anjara tamin'ny asa fanakorontanana i Le Cong Dinh. Io Dinh io dia mpisolovava iray malaza amin'ny fanohanana ny demaokrasia, fiarovana ny zon'olombelona ary amin'ny asa soratra. Vondrona famoaham-baovao sy mpampianatra ambony ao an-toerana maro no nanameloka ny fisamborana an'i Dinh.